Vohipeno: Ho ambohimpihaonan’ireo kandida filoham-pirenena

  • jeudi, 12 avril 2018 19:46
  • Britto

Maro ireo mpanao politika hiazo an’i Vohipeno, faritra Vatovavy Fitovinany, hiombom-bavaka amin’ny mpino Katolika amin’ny hanambarana ampahibemaso ny fanadratana ho Olontsambatra an-dramose Lucien Botovasoa hotontosaina ny alahady 15 aprily 2018 izao.

Re fa ho avy any an-toerana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady, ny filoha teo aloha sady filohan’ny komitin’ny Jobily faha-50 taonan’ny FJKM Marc Ravalomanana, ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina, ny praiminisitry ny tetezamita iraisana Jean Omer Beriziky, ny praiminisitra teo aloha Ravelonarivo Jean, ny minisitry ny fiompiana teo aloha sady kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena 2013 Randriamampionona Joseph Martin (Dadafara) …

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.