Mahajanga: Nentin'ny mpanampy nitsoaka ny volabe 32 tapitrisa Ariary

  • lundi, 12 février 2018 20:15
  • Britto

Hatramin'ny alakamisy 8 febroary teo no tsy hita ny tovovavy antsoina hoe Ravaoarisoa, fantatry ny maro amin'ny hoe IARY, niaraka amin'ny vola mitentina 32 tapitrisa Ariary (160 millions Fmg).

Vola avy any Ambondromamy ireto vola ireto no nalefa taty Mahajanga, fomba fanao izay efa mahazatra ary ilay tovovavy hatrany no mpandray ny vola sy manatitra izany any amin'ny olona hanaterana azy. Nandritra ny roa taona dia toy izany hatrany ny fomba fiasa.

Tsy hay anefa izay tena zava-nisy fa nivadika ity farany tamin'ity indray mitoraka ity. Tetika efa nomanina ny azy satria na hatramin'ny sariny aza noraofiny avokoa mialohan'ny nialany tao an-trano.

Efa mandeha ny fikarohana ataon'ny polisy eto Mahajanga ary efa manao izay azony atao ihany koa ny tambazotram-pifandraisana manao fikarohana amin'ny alalan'ny famantarana ny toerana misy ny finday ampiasain'ity tovovavy ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.