Lokomby-Manakara: Nokapakapaina ilay rangahy avy eo nodoran'ny dahalo tao an-trano

  • samedi, 10 février 2018 22:29
  • Britto

Nitrangana vono olona mahatsiravina tao Andranombary faritran'i Lokomby omaly tolakandro. Nisy lehilahy iray notapatapahan'olon-tsy fantatra tao an-trano ny vatany, avy eo nodorany ilay trano ka may nikainkona tao ilay rangahy.

Tsy tao ny vadiny fa manetsa any an-tsaha, ny zanany kosa nividy zavatra teny amin'ny sampanana makany Lokomby, izy izao maty novonoin'ny dahalo tao an-tranony izao.

Fanindroany izao no nisy famonoan'olona arahina fandorana trano toy izao aty faritry Lokomby aty.

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.