Sambava: Renim-pianakaviana iray natelin'ny rano

  • samedi, 10 février 2018 21:44
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Teo amin'ny vinanin-drano Antaimby no nahitana ny razana androany tamin’ny roa ora tolak’andro. Feon’ankizivavy kely valo taona no nanaitra ny mponina teny amoron-drano fa ny reniny antsoina hoe : Flomene dia nilentika ery anaty rano.

Raha ny fitantaran-janany dia niaraka nandro teo izy sy ny reniny ka raha iny hanasa loha iny ilay ramatoa no nianjera tao anaty rano dia izay.

Razana no nakarina avy tao anaty rano.

Efa tonga teny ny Polisy sy ny mpiasan'ny fahasalamana nitsirika ny razana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.