Antsirabe: Mirongatra ny fanafihana mitam-basy

  • samedi, 10 février 2018 17:20
  • Britto

Miha mafana hatrany ny asa-jiolahy aty Antsirabe sy ny manodidina. Ny alin'ny zoma 9 febroary dia nirefotra ny basy tao Tombontsoa, fokontany Tsarafiraisana-Ambano.

Tokatrano iray tsy lavitra ny itoeran'ny lehiben'ny fokontany no nisy nanafika. Nampandre ny manodidina ny lehibem-pokontany ka isan'ny nandre ny tao amin'ny lehiben'ny faritra, izay tsy lavitra teo.

Nahare olona nihazakazaka izy ireo ka niantso nampijanona fa tsy niato ireo ka voatery nanao tifi-danitra saingy namaly ireo ary nanohy nitsoaka. Fantatra fa entana sy fanaka toy ny lecteur sy vola no lasan'ireo jiolahy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.