RN7 - Vatoavo: Mietry amin'ny ilany misy hantsana ny lalana

  • samedi, 10 février 2018 08:39
  • Britto
  • Sary nomena

Mampanahy ny mpampiasa ny lalam-pirenena faha-7 ny fahasimban'ny lalana amin'ny fidinana Vatoavo, atsimon'ny Fianarantsoa, hatramin'ny fandalovan'ny rivodoza AVA iny.

Efa nandalo nijery ny fahavoazana ny teknisianina avy ao amin'ny Asa Vaventy fa samy miandry ny asa fanarenana aterak'izany ny mpitatitra sy mpamily fiara iray volana aty aoriana.

Mila fanetsehana faran'izay haingana izany asa fanarenana izany, hoy ihany ireo mpamily fiara mba hisoroana ny faharefoana tanteraka amin'izao andro mahabetsaka ny rotsak'orana izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.