Campus Ambondrona: Efa manomboka ny asa fanarenana ny tranon'ny mpianatra

  • mercredi, 07 février 2018 19:51
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Bloc miisa 5 no ezahina vitaina mialohan'ny fanombohan'ny taom-pianarana vaovao eny amin'ny oniversiten'i Mahajanga. Izany hoe efitrano miisa 30.

Efa antitra sy potika avokoa ireo efitrano rehetra ka natao lohalaharana ny fanamboarana satria raha ny oniversite iray manontolo no hoharenina, tombanana ho 51 miliara ariary vao mahavita izany.

Ankoatra ny ministera dia mandray anjara amin'izao fanamboarana izao amin'ny tetibolany ihany koa ny oniversite.

Rehefa vita ny fanamboarana, dia tsy maintsy hisy ny paikady vaovao hitsinjarana ny efitrano ka tsy ny rehetra no hisitraka izany fa amin'ny alalan'ny fandinihana ny toerana misy ny mpianatra tsirairay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.