Sambava: Vatosoa namidy 3.600.000 Ariary

  • mercredi, 07 février 2018 06:56
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Sambava

Teo ampitadiavana mpividy ity voalaza ho vatosoa ity ny tovolahy iray 25 taona eo no tra-tehaky ny Zandary omaly talata 06 febroary maraina tetsy Sambava-Centre.

Tamin’izany no nilazany fa avy any Belambo, Kaominina Antsirabe Nord, Distrikan'i Vohemar no fiaviany. Mbola manana lehibe izay mpaniraka azy izy ka handeha hitady tombony fotsiny aty Sambava.

Amin’izao dia mbola hanaovana famotorana lalina ao amin'ny Zandarimaria Sambava ity nitondra vato milanja eo amin'ny 18g ity, vato tena izy ve sa vato izay entina hanaovana fisolokiana avo lenta indray?

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.