Houcine Arfat: Ny minisitry ny fitsarana no nanao sonia ny taratasy ivoahany andeha hamonjy dokotera

  • mardi, 16 janvier 2018 09:15
  • Tigre

Raha toa ka ny mpitsabo ny fonjan'Antanimora no tokony angataka ny alalana amin'ny lehiben'ny Fonja sy ny Tale-paritra miandraikitra ny Fonja eto Antananarivo, dia tsy narahina izany fepetra izany fa naka ny hevitry ny minisitry ny fitsarana ireo ambaratonga isanisany, ka nanao sonia ny minisitry ny fitsarana amoaka an'i Houcine Arfat hamonjy dokotera satria marary kibo.

Fantatra moa fa nandeha taxi izy tamin'izany niaraka tamin'ny garde 2, ary dia voatafika io taxi io ka niporotsaka tsy hita i Houcine.

Ireo mpiambina roa ireo ihany hatreto no nampidirina any Tsiafahy, fa ny tompon'andraikitra rehetra nanome fahefana hamindra azy avy any Tsiafahy andeha Antanimora, ary ny nahafahany nivoaka ny fonja Antanimora tsy misy resaka hatreto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.