Vakinankaratra: Nisantatra ny taompambolen-kazo

  • jeudi, 11 janvier 2018 14:57
  • Britto
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Natomboka tamin'ny fomba ofisialy tamin’ity andron’ny alakamisy 11 janoary 2018 ity ny taom-pambolena hazo ho an'ny faritra Vakinankaratra ka tao Ankofafabe Sambaina no nisantarana izany.

Ny fiadidiam-paritry ny ala sy ny haivoahary no tompon'ny hetsika, notronin'ireo sampandraharaha maro teto Vakinankaratra, ka tany 4 hekitara no ho volena eo amin'ity toeram-pambolenkazo ity raha ny nambaran'ny tompon'andraikitra.

Santatra ihany moa ity fa mitohy hoan'ny rehetra ny asa satria tokony ahavoly hazo 5ha isaky ny kaominina ny rehetra. Nitarika ny fotoana moa ny prefen'Antsirabe sy ny lehiben'ny faritra, ny jeneraly Rakotonarivo William.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.