Antsirabe: Atrikasa iraisam-pirenena eo anivon'ny fiangonana Loterana Malagasy

  • jeudi, 07 décembre 2017 13:25
  • Tigre
  • Sary Sobika Antsirabe

Tontosaina eto Antsirabe nanomboka ny alarobia 6 desambra ka hatramin'ny zoma 8 desambra izao ny Atrikasa iraisam-pirenena eo anivon'ny fiangonana Loterana Malagasy, nanpitondraina ny teny filamantra: "Ampiasao ny talentanao".

Delegasiona maro avy any Afrika, Azia, Eropa ary i Madagasikara no mandray anjara amin'izany, ao amin'ny Centre Lovasoa Antsirabe.

Tanjona hoy ny filohan'ny fiangonana Loterana Malagasy dia ny hanetanana ny olona hampiasa ny talenta nomen'Andriamanitra azy, izay fomba fiasa efa natomboky ny FLM teo aloha izany ka niitatra tany amin'ireo firenena Afrikanina vitsivitsy ary dia izao ho lasa fomba fiasa hoan'ny firenena maro izao.

ireo mpisehatra amin'ny asa fampandrosoana eo anivon'ny FLM moa no nivory eto Antsirabe, ka amin'iny herinandro miditra io kosa dia ireo tompon'andraikitra sy mpianatra ho pastora any amin'ny SALT Fianarantsoa no hiatrika ihany koa ity atrikasa ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa