Sambava: Sarona ny tambazotra mpanamboatra sy mpivarotra basy

  • lundi, 13 novembre 2017 07:00
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

“Fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo voaray ny 04 novambra 2017 no nahazoan’ny Zandary izao vokatra izao”, hoy ny Kapiteny Masivelo GAPJ-Sambava.

Olona roa avy hatrany no sarona, izay voatondro ho mpivarotra basy vita gasy, ary ireto indray no nanondro ny toerana fiavian’izany izay avy eto Sambava ihany.

Niainga tamin’ny famotorana no nahitana trano kely iray efa feno fitaovana fanamboarana ireo basy ary efa misy santionan’ireo basy izay mbola eo andalam-panamboarana niaraka tamin’ny bala maro.

Olona telo izao no efa voasambotra, izay natolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany any Antalaha.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa