Antsirabe: Voasambotra teo am-piomanana hanao asa ratsy ilay tovolahy

  • lundi, 13 novembre 2017 06:53
  • Britto
  • Sary Sobika Antsirabe

Fanomezam-baovao avy amin’olontsotra azon’ny Zandary no nahasamborana an’ity tovolahy ity. Nisy ihany koa fitoriana nataon’olona noho ny ratra nahazo azy, nataona andian-jiolahy.

Voasambotra teo Andranomadio, tsy lavitry ny tobin-dasantsy izy, nisy basy poleta vita gasy tratra tany aminy.

Avy any Antanety-Betafo ity tovolahy ity no manao asa ratsy eto Antsirabe. Eo ampikarohana ireo namany sy ny toeram-pamokarana ilay basy tratra tany aminy ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa