Pesta: Nalefa nody avokoa ny mpiasan’ny DREN Analamanga omaly

  • vendredi, 27 octobre 2017 08:32
  • Britto

Nody omaly alakamisy 26 oktobra tolakandro avokoa, tsy miasa anio zoma. Izay no fepetra noraisin’ny tao amin’ny biraon’ny DREN na Foibem-paritry ny fanabeazana Analamanga, etsy Ambatomena Antananarivo I omaly.

Ny antony dia nisy mpiasa mifampitakosona aman'olona mpikarakara mararin'ny pesta, nefa tonga niasa omaly.

Nambara anefa fa “négatif” ny valin’ny fitiliana io mpiasa io rehefa natao ny fitiliana. Na izany aza norarahana ranom-panafody avy hatrany ny birao rehetra tao amin’ny DREN Analamanga ary nomena fanafody daholo ny mpiasa rehetra, hohanina mandritra ny telo andro, ary nalefa nody avokoa taorian’ny sakafo atoandro.

 

Commentaires (54)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.