Pr Zafy Albert: Hiazo an’i Betsiaka anio ny Razana

  • vendredi, 20 octobre 2017 16:12
  • Britto
  • Sary nindramina

Nisy fotoam-pivavahana iraisam-pinoana notanterahina teto Ambilobe ny maraina, aorian’io dia hiazo an’i Betsiaka, lalam-pirenena faha-5A miazo an’i Vohémar, ny nofo mangatsiakan’ny filoha teo aloha Pr Zafy Albert.

“Fasandrazana nasian’i Pr Zafy fanatsarana fony fahavelony no handevenana azy rahampitso sabotsy 21 oktobra 2017. Vahoaka maro, avy amin’ny lafivalon’ny Nosy, mpanao politika, avy amin’ny fiarahamonim-pirenena no eto Ambilo be amin’izao”, araka ny fanazavan’i Pr Manoro Régis, Sekretera jeneralin’ny antoko UNDD.

(Sary nindramina, teo ampiaingana Ambilobe i tolak'andro io)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.