Fianarantsoa: Miatrika ny aretina pesta ny mpitatitra

  • jeudi, 12 octobre 2017 11:59
  • Britto
  • Sary Sobika Fianarantsoa

Tanterahina ny marainan'ity alakamisy 12 oktobra ity ny fivoriana momba ny ady amin'ny valan'aretina pesta iarahana amin'ny mpitatitra eto Fianarantsoa sy ny zotra nasionaly.

Ankoatry ny fepetra "barrage sanitaire" izay efa napetraka ao Camp Robin amin’ny lalam-pirenena faha-7 dia misy ny torolalana sy fandraisana andraikitra nifampizarana tamin'ireo misehatra amin'izany.

Samy nandeha fitateram-bahoaka daholo ireo olona voatily sy voamarina ho mararin'ny pesta raha ny tombatombana.

Noho izany dia ho hentitra ny tompon'andraikitra eo amin'ny sehatrasa fitaterana.

Eo ambany fiahian'ny Faritra no anatanterahana ny fivoriana. Manotrona mivantana ny solontenan'ny OMS manao iraka eto Matsiatra Ambony.

Isa farany nomen'ireo tompon'ndraikitra: 27 no isan'ny olona marary ahiahiana voan'ny “peste bubonique”, 19 no “peste pulmonaire”, 3 no isan'ny matin'io aretina io ka ny iray tao Ambohimahasoa ary roa tao Ambalavao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa