Morondava: Nofoanana tamin’ny ora farany ny lanonam-pitokanana ny biraon’ny DREN

  • jeudi, 12 octobre 2017 11:55
  • Britto
  • Sary Sobika Morondava

Efa tonga ny vahiny, toy izany koa ireo solontena avy any amin’ny Distrika samihafa eto Menabe ary efa vonona ireo mpanakanto hanafana ny fotoana, no nilatsaka ny toromarika fa dia foana ny lanonam-pitokanana ny birao vaovaon’ny DREN na Biraom-paritry ny fanabeazam-pirenena Menabe voatondro hatao androany.

Raha ny tsilian-tsofina moa dia tokony hiatrika izany ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny Filoham-pirenena, dia izao tsy ho tonga izao ary nofoanana mihitsy ny lanonana ary natao fialana ny resaka pesta.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa