Pr Zafy Albert: Halefa hotsaboina atsy amin'ny Nosy Maurice

  • mercredi, 11 octobre 2017 20:51
  • Britto

Tokony efa niainga androany fa tsy vita ny taratasy ka miandry rahampitso ny fiaingana, araka ny fanazavan'i Tabera Randriamanantsoa, filoha nasionalin'ny antoko Kintana sady mpandrindra nasionalin'ny CRN (Conseil pour la Réconciliation Nationale).

Tsaboina ao amin'ny Polyclinique Ilafy hatry ny antoandro teo ity filoham-pirenena teo aloha sady filoham-boninahitry ny antoko UNDD ity, rehefa tratry ny tsy fahasalamana tampoka ka tsy nahatsiarovany tena. Nentina tao amin'ny hopitaly Befelatanana izy nialoha ny namindrana azy eny Ilafy.

Miandry ny filazana ny tena fototr'aretina izahay, hoy ny fanambaran'ny UNDD, antokony.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa