Vangaindrano: Fanadiovana faobe ny tanàna

  • mercredi, 11 octobre 2017 16:14
  • Britto
  • Sary Sobika Vangaindrano

Niara-nientana ny mponina nanatontosa hetsika faobe nanadiovana ny tanàna mba hisorohana ny fidiran'ny pesta eto Vangaindrano.

Samy nitondra ny anjara birikiny avy na ireo antoko politika samyhafa na ireo sampandraharaha miankina sy tsy miankina ary ireo mpianatra. Ny loholona Thu Jaune Horace Man no niantoka ny fanafody nafendraka sy kamiao nitanterana ireo fako.

Maro ihany koa ireo mpandraharaha nanao tolo-tanana. Samy nahatsapa ny rehetra ny mahazava-dehibe ny ady amin'ny pesta na dia mbola tsy tafiditra eto.

Nanentana an'ireo sampandraharaha sy ny any amin'ny Fokontany ihany koa ny lehiben'ny Distrika mba samy hanadio ny manodidina azy ka isany tsy diso anjara ireo sekoly.

Mailo tanteraka ny eto Vangaindrano ny mba tsy hidiran'ny pesta eto.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa