Toamasina: Razana matin’ny pesta, nifampisintonan’ny BMH sy ny fianakaviana

  • mercredi, 11 octobre 2017 16:04
  • Britto

Raikitra ny sakoroka tao Tanambao V omaly. Nisy tovolahy iray maty tao an-tranony. Rehefa nataon’ny mpiasan’ny fahasalamana ny fitiliana dia voamarina fa pesta no nitarika ny fahafatesan’io tovolahy io.

Raha tonga haka ny faty ny BMH dia raikitra ny gidragidra. Nifampisintonan’ny BMH sy ny fianakaviana ilay razana. Tratry ny be noho ny vitsy ny BMH dia tsy azo ilay faty ka nokasain’ny fianakaviana hanaovana fiaretan-tory.

Tsy nanaiky ny zava-misy anefa ny komity miady amin’ny pesta eto Toamasina, satria tandindomin-doza ny manodidina ka nanao izay hakana io razana io, ary nalevina avy hatrany.

Tontosa androany alarobia tamin’ny iray ora maraina ny fandevenana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa