Sambava: Ankizy 08 taona maty voahitsaky ny 4X4

  • dimanche, 08 octobre 2017 19:05
  • Britto

Loza mahatsiravina no nitranga teto Sambava tampotanàna, omaly tamin’ny sivy maraina. Niampita irery ny lalam-pirenena ity zaza ity raha handeha hividy zavatra ka nofaohin’ny 4X4. Nentina novonjena haingana teny amin’ny Hopitaly Loterana izy fa tsy tana ny ainy androany maraina.

Vola 100.000 Ariary no natolotr’ilay nandona ity zaza ity tamin’ny omaly raha vao nitranga ny loza fa raha vao maty ny zaza dia tsy hita intsony izy.
Efa eo ampelan-tanan’ny Polisy Sambava ny raharaha.

Commentaires (94)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa