Raharaha Dabaraha: Tapaka ora roa ny fifamoivoizana RN34, tsy nihemotra tamin'ny baomba lakrimozena ny fokonolona

  • mardi, 12 septembre 2017 22:48
  • Britto

Nitokona teo amin’ny tetezan’i Marofototra, Kaominina Bemanonga amin’ny lalam-pirenena faha-34 ireo tantsaha misedra olana amin’ny ranon’i Dabaraha androany talata 12 septambra. Tsy nihetsika izy ireo na nandefasan’ny mpitandro ny filaminana baomba mandatsa-dranomaso aza. Tapaka nandritra ny ora roa ny fifamoivoizana vokatr’io, tsy niala ny olona raha tsy tonga teo ny Depioten’i Mahabo.

Hidina any amin’ny riandrano fototry ny olana, noho ny fanimban’ny sasany hatrany ny hidin-drano apetraka ao ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana miaraka amin’ingahy Depiote ny alarobia, narahina fifanarahana an-tsoratra izany hisorohana ny fanararaotana.

 

Commentaires (82)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa