Mahajanga: Novakian'ny jiolahy ny tranon'ny Prefe, lehilahy iray no voasambotra

  • vendredi, 08 septembre 2017 14:27
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Androany zoma 08 septambra tamin'ny 2 ora maraina teo no namakian'ireo jiolahy ny tranon'ity olom-panjakana eto Mahajanga ity, ary efa voasambotra io maraina io ihany ny lehilahy iray tompon'antoka tamin'ny halatra.

Lasa avokoa ny entana lafo vidy tao amin'ny trano fandraisam-bahiny toy ny fahitalavitra, ny décodeur sy ny maro hafa. Ny maraina nifoha vao nahatsikaritra ny zava-nisy ny tompontrano ary niantso ny mpitandro ny filaminana.

Tsotra ny fomba nahazoana ity tovolahy ity, latsaka tao an-trano nangalarany ny karam-panondrompireneny. Natao avy hatrany ny fikarohana ary mbola tratra taminy avokoa ireo entana ary efa tafaverina tamin'ny tompony.

 

 

Commentaires (43)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa