Sambava: Nieren-doza Rtoa Soaline, depiote teo aloha

  • mercredi, 14 juin 2017 21:32
  • Britto
  • Sary Sobika Sambava

"Ity no nanaitra ahy tamin’ny torimasoko", hoy Ramatoa Soaline, depioten’i Sambava teo aloha. Ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 14 jiona, tokony tamin’ny iray ora maraina no nitranga ny loza teo antokotany Analamandrorofo.

Olona telo niaraka tamin’ny mpamily no tao anaty fiara Minibus Mazda, izay efa tafavoaka nialohan'ny nahatongavan’ny olona hamonjy ary nandositra avy hatrany izy ireo.

Ny seza “salon” izay amidy 4 hetsy sy 1 tapitrisa Ariary no nianjeran’ity fiara ity ka tsy nisy azo noraisina.

Tonga nijery ny zava-nisy ny avy amin’ny Polisim-pirenena sy ny Zandary. Ny zavatra tsapa dia nihitsoka teo amin’ny “4ème” ny “vitesse”-n’ilay Mazda.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa