Ambalavola Mahajanga: Tranona teratany karana levon'ny afo

  • vendredi, 09 juin 2017 22:02
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Tapaporohana sy lavenona sisa no novantanin'ireo tompo-trano avy nivavaka ny alarobia alina tokony ho tamin'ny sivy. Trano iray ana teratany karana ity may teny amin'ny Fokontany Ambalavola ity.

Trano misy efitra efatra, tsy hay izay niandohan'ny afo fa ny afo efa nijoalajoala sy setroka nanempotra no hitan'ny manodidina ka nanaitra azy ireo.

Tsy nisy afatsy ny akanjo teny an-koditra sisa azon'izy telo mianaka noraisina.

Raha ny tranga tamin'ny alarobia 07 jona dia tara vao tonga ny mpamonjy voina noho ny olana tamin'ny resaka rano raha ny fanazavana.

 

Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa