Mahajanga : Namoa-doza indray ny Bajaj

  • vendredi, 09 juin 2017 16:03
  • Britto
  • Sary Sobika Mahajanga

Omaly hariva tamin'ny 5 ora sy sasany, Bajaj iray no potika rehefa nitrongy fiara nijanona teo amin'ny sisin-dalana nanoloana ny sekoly Notre Dame.

Potika tanteraka ilay Bajaj, raha ny tao aorian'ilay fiara kosa no nisy pempo. Raha ny tsikaritra, mamo ny mpamilin’ilay Bajaj ka izay no nahatonga ny loza.

Efa tsy nitondra mpandeha ity farany raha mbola nisy mpianatra kosa ilay fiara nodominy. Tsy nisy ny naratra tao anatin'ilay fiara fa ilay mpamily mamo kosa no vaky loha.

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Commentaires (3)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa