Behoririka: Fakana an-keriny zanaka Karana

  • mercredi, 07 juin 2017 19:07
  • Tigre
  • Sary Njaka

Vao maraina raha andeha aterina hianatra ity zanaka Karana tompona hotely lehibe etsy Analakely, no nisy moto cross nibahana ny fiara nitondra azy, niaraka tamin'ny basy kalaky.

Nalain'iretsy ankeriny tao anaty fiara ity tanora vao 20 taona ity, nalainy ihany koa ny lakilen'ny fiara mba tsy ahafahan'ireto farany hanenjika azy.
Tonga dia taingin-telo afovoany tamin'ilay moto ilay zanaka karana.

Hatreto dia resabe no avalin'ny mpitondra, raha vao ny alatsinainy teo no votsotra ilay zanaka karana tompon'ny La City, tsy misy fandraisana andraikitra ny mpitondra. Ny tompon'andraikitry ny polisy aza dia sahy manao filazana ampahabemaso fa tamin'ny gazety no nahitany fa votsotra ilay zanaka karana. Atao inona izany ny sampam-pitsikolovana sy ireo mpanao fanadiadiana? Ny mpanao gazety indray ve no mahita vaovao lavitra noho ny polisy? Ka tsy aleo foanana.

Hoy ny tanora hoe sady tsy hihira no tsy hanao tsianjery?

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
 
 
B1 - Polyclinique
B2 - Toa