Tselatra

    • jeudi, 22 février 2018 09:11
    • Sary Njaka

    Fampianarana: Journée des écoles

    Nanomboka omaly alarobia 21 febroary ny fankalazana ny Journée des écoles eo anivon'ny sekoly.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 février 2018 16:50
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Nodimandry ny minisitry ny filaminana anatiny teo aloha Rakotomihantarizaka Organès

    Namonjy fahorian'ny rafozam-baviny taty Morondava ny Kontrolera jeneralin'ny Polisim-pirenena, no minisitry ny filaminana anatiny tamin'ny Tetezamita, Rakotomihantarizaka Organès, no izao nindaosin'ny fahafatesana izao teo amin'ny faha 70 taonany. Nianjera tao amin'ny efitra fidiovana ka tsy tafarina intsony. Ny nofo mangatsiakany dia entina any amin'ny fasan-drazany ao Ambatofinandrahana – Amoron’i Mania rehefa ampandalovina ao Andranoro Antehiroka, fonenany farany tamin'ny fahavelony. Teny amin'ny fifampiaraban'ny samy zanaky Fianarantsoa ny 10 febroary teny amin'ny A&C no nahitana ity senatera teo aloha tamin'ny andron'i Marc Ravalomanana ity farany. Namela kamboty 7 mianadahy.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 février 2018 10:23
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Tonga mizara vola ny Minisitra Mamy Lalatiana

    Nosantarin'ny minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana mpiahy ny faritra Vakinankatatra io maraina io ny fandoavana ny karaman'ny sefo Fokontany, ka ny Distrikan'Antsirabe voalohany no nanaovana izany. Tambinkarama 18 volana no indray naloa ho an'ireo Fokontany mandrafitra an'i Vakinankaratra.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 février 2018 10:19

    Antsohihy: Hita omaly hariva ny fatin’ilay zazavavy kely natelin’ny ranomasina

    Roa andro taorian’ny nanjavonany vao hita ilay zazavavy 14 taona, saingy efa vatana tsy nisy aina intsony. Nandeha nanihika makamba niaraka tamin’ny namany no nivoahany ny trano ny atoandron’ny alahady 18 febroary teo, saingy tany dia tsy niverina. Omaly tolakandro vao nahitam-bokany ny fikarohana saingy efa vatana mangatsiaka no hitan’ny Fokonolona.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 21 février 2018 10:15

    Ambohimanarina: Nipoaka vao maraina ny basy

    Lehilahy nivoaka maraina hamonjy tsena no lasibatry ny jiolahy teny Antanety Ambohimanarina androany tamin’ny dimy ora latsaka. Teo ampihazakazahana hiditra anaty taxi-be, teo Antanety Ambohimanarina, Boriborintany faha-6, Antananarivo Renivohitra izy sy vehivavy iray no nisy roalahy nisintona ny poketra teny amin’ilay vehivavy. Nanohitra ireto farany, ka teo no nitifitra ireo jiolahy, voa tamin’izay ilay rangahy. Naratra mafy ity farany ary nentina namonjy hopitaly.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 février 2018 18:56
    • Sary Gasypatriote Sambava

    Nivarotra vatosoa hosoka: Nigadra enim-bolana an-tranomaizina ilay tovolahy

    Niakatra fitsarana omaly 19 febroary ilay tovolahy nahatratrarana vato milanja 18g izay nokasaina hamidy teto Sambava ka 200.000Ariary ny iray grama. Nandritra ny fanadihadiana nataon'ny Zandary azy no nahafantarana fa hosoko ity vato ity. Fitaratra no mody namboariny ary nosorana menaka dia natao anaty sachet kely dia iny no hamitahana olona, ho vato sarobidy. Nidoboka am-ponja avy hatrany, misazy enim-bolana ary nodidian'ny Fitsarana tao Antalaha handoa onitra 1 tapitrisa Ariary ihany koa ilay tovolahy, izay avy any Belambo, Kaominina Antsirabe Nord, Distrikan'i Vohémar.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 février 2018 18:22
    • Sary Gasypatriote Toamasina

    Toamasina: Nametra-pialana ny filohan'ny Mpanolontsaina monisipaly

    Tsy fetezan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny Mpanolontsaina sy ny Ben'ny Tanàna, ary koa ny fomba fitantanana ny Tanàna no nambaran-dRakotoarivelo Solofo Ginah ho anisan'ny antony nitarika ho amin'izao fametraha-mpialany izao. Sambany teo amin'ny tantaran'ny Tanànan'i Toamasina no nisy filohan'ny Mpanolontsaina nametra-pialana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 février 2018 18:15
    • Sary Gasypatriote Morondava

    Morondava: Pallisandre nafenina tao anaty gony tra-tehaky ny Zandary

    Teo amin'ny sakana nataon'ny motard zandary teo Bemanonga no nahita ireto pallissandre ireto androany, izay efa voatapatapaka ary natao anaty gony saika hoentina ao Antsirabe. Tazomina ao amin'ny biraom-paritry ny tontolo iainana DREEF Morondava ireo hazo ireo amin'izao.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 février 2018 21:06
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Antsirabe: Bois de rose 35 isa no saron'ny Zandary

    Bolabola andramena niisa 35 no saron'ny Zandary teto Vinanikarena-Antsirabe, amin’ny lalam-pirenena faha-7, ny sabotsy 17 febroary teo, nokasaina hoentina any Ambositra. Fiara mpitatitra no nitondra azy ireo ary natao tao anaty gony niisa 7. Entana natao ireny “colis” alefa fotsiny ireny moa izy ity, izay tombanana fa avy any Morondava, ary hamidy amin'ny mpanao asatanana. Mbola nogiazana moa ireo hazo ireo sy ilay mpamily aloha hatreto, hanokafana fanadihadiana.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 19 février 2018 21:05

    Antsohihy: Zazavavy kely 14 taona natelin’ny ranomasina

    Nandeha nanihika makamba niaraka tamin’ny namany no nivoahany ny trano omaly alahady 18 febroary, tany dia tsy niverina. Tsy mbola hita hatramin’izao ity zazavavy kely ity.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 248