FLM: Nahemotra ny fankalazana Jobily noho ny pesta

  • lundi, 16 octobre 2017 21:14
Taorian'ny resaka nifanaovan'ny praiminisitra lehiben'ny governemanta Mahafaly Olivier tamin'ny filohan'ny FLM Dr Rakotonirina David androany maraina, dia ahemotra amin'ny fotoana mbola tsy fantatra ny datin'ny KMSL (Komitin'ny Mpiandraikitra ny Synaoda Lehibe) faha-138 izay nokasaina hatao tany Betafo, sy ny fankalazana ny faha-150 taonan'ny FLM sy ny faha-500 taonan'ny REFORMASIONA tokony hatao ny 24 ka hatramin'ny 31 oktobra ho avy izao, noho ny fihanaky ny pesta mahery vaika loatra tato ho ato.
Foana toy izany koa ny fampiofanana nokasain'ny Empower hatao tao Antsirabe ny 20 - 21 oktobra izao.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.