Sociale

    • mardi, 22 août 2017 15:47
    • Sary nomena

    Ambohimirary-Antananarivo: Maloto sy mamofona ny rano amin’ny paompy

    Efa ho telo herinandro izao ny mponina amin’iny faritra Ambohimirary, Boriborintany faha-V Antananarivo Renivohitra no miaina ity toe-javatra hafahafa ity. Sady maloto no maimbo ny rano rehefa alina ny andro. Manaitra ny tomponandraikitra ny mpanjifan’ny Jirama amin’iny faritra iny, mba hitondra vahaolana hisorohana ny fanapoizinana na aretina mahazo ny mponina.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 22 août 2017 15:43

    67 ha-Tanà I: Un militaire pointe son arme à un agent de Police

    Le soir du dimanche 20 août 2017, dans un arrêt bus aux 67ha, un militaire, au moment d'une dispute, a pointé son arme à un agent de police lui aussi armé. Le Miaramila a été amené au Commissariat de la Police et placé en garde à vue. Il y avait une négociation pour le sortir de là mais les Policiers auraient refusé jusqu'à ce qu’un camion de force mixte (Gendarme et Armée) est venu pour faire sortir le militaire de là. Un officier de la Gendarmerie a expliqué qu’il y a un protocole pour arrêter un gendarme ou un militaire, et ce n’est pas l'affaire des polices mais de la Gendarmerie. La Police a violé le protocole. Le militaire s'est présenté comme quoi c'est un “miaramila” et la Police n'a pas à arrêter le militaire mais il aurait dû tout au moins l'envoyer à la Gendarmerie ! Quelle démonstration de force de la part des militaires ! Il n'y avait pas de confrontation mais c'est la loi du plus fort qui prime.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 août 2017 22:25
    • Sary Sobika Mahajanga

    STAR Tour "La destination familiale" : Tanteraka ny fanambin'ny Kaominina renivohitr'i Mahajanga

    Voatana ny fanamby napetraka tamin'ny fiaraha-miasan'ny orinasa Star sy ny Kaominina renivohitra Mahajanga nandritra ny hetsika Star Tour, "La destination familiale". Anisan'ny fifanaraham-piaraha-miasa napetraka ny nanovana tanteraka ny hetsika THB Tour ho Star Tour. Nilanona tanteraka ny mponina sy ireo mpiala sasatra taty an-toerana nandritra ny telo andro tsy ankiato nanaovana ny hetsika. Ankoatra ny fampisehoana goavana niarahana tamin'ireo mpanakanto malagasy kalaza, nisy ireo hetsika fanentanana sy lalao isan-karazany teny amin'ny Bord de la mer sy teny amin'ny tora-pasiky ny Grand Pavois. Niavaka ny diabe sy ny zumba goavana teny amin'ny Bord de la mer ny sabotsy tolakandro teo. Tena nahasarika ny maro ny Star Tour andiany voalohany, voahaja ny fahadiovana satria isa-maraina misy hatrany ny fanadiovana sy fanasana ny Bord de la mer niarahana tamin'ny sampana mpamonjy voina an'ny Kaominina. Nanamafy ny Ben'ny tananan' i Mahajanga, Andriantomanga Mokhtar Salim fa tratra ny tanjona dia ny fanabeazana tao anatin'ny fampialana voly ny mponina sy fanomezana fahafaham-po ireo mpitsidika an'i Mahajanga.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 21 août 2017 09:00
    • Sary Sobika Toamasina

    Toamasina: Manohy hatrany ny asa sosialiny ny MMA

    Taorian'ny fandokoana ny toerana fipetrapetrahana teny amoron-dranomasina, dia miara-miasa amin'ny sekoly David Jones Anjoma, ny Malagasy Mandray Andraikitra (MMA) amin'ny fikarakarana ny andiany faha-3 ny lalao kitra lalaovin'olona fito ho an'ny tanora, izay tsy hifarana raha tsy ny faran'ny volana septambra 2017.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 19 août 2017 10:07
    • Sary Sobika Mahajanga

    Mahajanga: Fifaninanana nasionalin'ny fanatanjahantena an-tsekoly 2017

    Ambohimpihaonan'ireo mpianatra avy amin'ny lafy valon'ny Nosy ny eto Mahajanga. Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy omaly zoma 18 aogositra, teny amin'ny kianja monisipaly Rabemananjara ny sport scolaire national 2017. Mpianatra, mpiandraikitra ary mpitsara lalao hatrany amin'ny 1600 no tonga misolotena ireo faritra 21, ankoatra ny sampandraharaham-paritry ny fanabeazam-pirenena Boeny izay mpampiantrano. Manome voninahitra ny lanonana aty an-toerana ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary, ny minisitry ny fanatanjahantena, ary ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin'ny andrim-panjakana.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 18 août 2017 12:03

    Antsalova: Mitaraina ireo mpampiasa finday

    Tena sahirana ireo mpanjifa aty an-toerana raha sendra hanolo “puce” very na hamerina laharana finday na hanao “récupération SIM” satria tsy misy afaka manao izany aty fa tsy maintsy mandeha any Maintirano, nefa iaraha-mahalala fa 120 km ny elanelan-tany ary lafo be ny sarandalana noho ny haratsian'ny lalana. Amin’izao maintany izao dia 4 alina Ariary ny sarandalana mihatra. Raha hanao “récupération” laharana iray fotsiny no anton-diananao any Maintirano dia lany 8 alina Ariary ianao sarandalana fotsiny, ary mbola etsy andanin'izany ny sakafo sy saran'ny hotely fatoriana. Misedra izany olana izany avokoa na mpanjifan’ny Telma, Orange ary Airtel.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 17 août 2017 21:31
    • Sary Sobika Sambava

    SAVA: Voarara ny varotra solika anelanelan-trano

    Namoaka fanambarana ny OMH na Office Malgache des Hydrocarbures mandrara ny fivarotana solika ivelan'ny toby mpaninjara ara-dalana sy toerana nahazo alalana avy amin'ny OMH. Ny zava-nisy mantsy dia feno fivarotana solika isaky ny elanelan-trano ary mampiakatra hatrany amin'ny 9000Ar ny iray litatra amin'ny lasantsy, ary ny fotoana ahatongavan'ny solika eny amin'ireo toby mpaninjara no ela dia ritra lasan'ny mpanao varomaizina amin'ny jerrican, ka mampikorontana ny fifamoivoizana ary miteraka fanararaotana.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 16 août 2017 18:30
    • Sary Sobika Fianarantsoa

    Matsiatra Ambony: Miditra anatin'ny lalampihariana volobe na bambou

    Trandrahana amin'ny velarantany 29,75 ha ny volobe eto an-toerana. Misandrahaka amin'ny Kaominina miisa 7 izany. Mahatratra 11520 ny zanakazo volobe novolena miaraka amin'ny fanohananan'ny tetikasa miahy ny tantsaha sy mpandraharaha. 80% no taham-pahaveloman'ny zanakazo 7500 isa novolena tao amin'ny Fokontany Lavaina, Kaominina ambanivohitra Alakamisy Ambohimaha. Efa nahitam-bokatra ny fanamboarana arina fandrehitra na saribao tao Ambatolahitelo.
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 août 2017 20:54
    • Sary nindramina

    Tantsambo malagasy: Goavana ny elanelana mitaha amin’ny any ivelany

    Ny tantsambo malagasy aty Madagasikara dia eo ambany fiadidian'ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale). Betsaka ny zavatra takian'ny APMF amin'ny tantsambo malagasy vao afaka miondrana izy, toy ny “visite médicale”, “sécurité de base”. Ireo farafahakeliny ny taratasy ilaina aminy. Atao isaky ny 2 taona ny “visite médicale” ho an'ny tantsambo 18 hatramin'ny 50 taona, ary isan-taona ho an'ny mihoatra ny 50 taona. Efa misy mpitsabo notsongain'ny APMF hanao ny “visite médicale” ka ny sarany dia 200.000 hatramin'ny 250.000 Ariary arakaraka ny toerana anaovana azy. Ny “Sécurité de base” kosa dia 460.000 Ariary ny saran'ny fianarana voalohany ary 320.000 Ariary ny fanamafisana na “revalidation”, ka ao amin'ny sekolim-pirenena fanofanana tantsambo na ENEM Mahajanga no anaovana azy.
    Lire la suite ...
    • mardi, 15 août 2017 19:48

    Toamasina: Mivarotra rano maloto ny Jirama ?

    Mitsipaka marindrano ny fanankianan’ny mpanjifa milaza fa rano maloto ary indraindray aza misy kankana no zarain’ny Jirama, ny talem-paritanin’ny Jirama Toamasina, Veloson Léonard. Miaiky anefa izy fa efa antitra, satria efa tamin’ny taona 1929 izany hoe 88 taona izao ny fotodrafitrasa fitarihan-drano miainga ao amin’ny reniranon’i Ranomainty sotroina eto Toamasina, na izany aza dia mandalo sivana sy fanadiovana maromaro ary mbola mandalo fitilian’ny Institut Pasteur ny rano vao tonga eny amin’ny mpanjifa. Noho io fahanteran’ny fantsona io anefa no mahamena ny lokon’ny rano sy mampisy kankana tsikaritry ny mpanjifa indraindray. Mamokatra rano 740.000 m3 isam-bolana ny Jirama Toamasina, ka ny 510.000 m3 amin’io ihany no tonga eny amin’ny mpanjifa.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 131
B1 - Polyclinique
B2 - Toa