Harifidy Ramanandraibe: Nohadihadiana teny amin’ny Toby Ratsimandrava

  • mardi, 21 janvier 2020 09:23
  • Zakaria
  • Tahirin-tsary

Nahazo fiantsoana avy amin’ny Brigade Criminelle Spéciale eo anivon’ny Zandarimaria Toby Ratsimandrava i Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazety mpamakafaka politika ao amin’ny haino aman-jery tsy miankina i-BC Antananarivo.

Raharaha fitoriana momba tany eny Nanisana no nihainoana azy, ary afaka namonjy fodiana izy taorian’izay.

Fanindroana izao i Harifidy Ramanandraibe natao fanadihadiana, tato anatin’ny roa herinandro izay. Tamin’ny voalohany dia mahakasika ny fanahiana ho manafina fitaovam-piadiana no antony nisavàna ny tranony sy nanaovana fanadihadiana azy teny anivon’ny BC Polisim-pirenena Anosy, ny alahady 12 janaory 2019.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.