Andry Rajoelina: Hihaona amin’ny mpanao gazety eny Iavoloha

  • dimanche, 19 janvier 2020 18:24
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hihaona an-databatra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo tonian-gazety miaraka amin’ny tompon’ny orinasan-gazety ny marainan’ny alatsinainy 20 janoary 2020.

Fihaonana manokana voalohany eo amin’ny andaniny sy ankilany io, mifanandrify ihany koa amin’ny tsingeritaona voalohany maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an’i Andry Rajoelina.

Mety ho voaresaka mandritra ny fihaonana ny amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. Laharana faha-54 amin’ny firenena miisa 180 manerantany no misy an’i Madagasikara ny taona 2019, araka ny fandaharana nataon’ny Reportes Sans Frontières, raha toa ka faha-57 isika ny taona 2017 ary faha-54 ny taona 2018.

Mety ho isan’ny lahadinika ihany koa ny fanomanana ny fankalazana ny tsingerintaona faha-60 niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.