Naina Andriantsitohaina: « Tsy ho mora ny asa, ary efa sasa-miandry ny mponina hahita vokatra »

  • samedi, 18 janvier 2020 19:30
  • Zakaria
  • Sary: Naina Andriantsitohaina

Amperin’asa ny Ben’ny tanàna vaovao an’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Miaiky ny tenany fa tsy ho mora ny asa, ary efa sasa-miandry ny mponina hahita vokatra. Nanome toky ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny Kaominina ny tenany dia « ny asa sy ny hatsembohana ».

Nohamafisiny ny « fanarahan-dalàna ». Tsy misy afa-tsy ny famerenana ny fanarahan-dalàna ihany, hoy izy, no ahafahana mampandroso ny tanànantsika ka « mila miasa mafy, hentitra ary mahitsy tanteraka. Fa mila tsy mitanila, ary indrindra, mila mitsinjo ireo tena sahirana sy marefo ».

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.