Betampona-Fenoarivo Atsinanana: Namoaka Ben’ny tanàna roa ny Tribonaly Administratifa

  • jeudi, 16 janvier 2020 16:29
  • Zakaria

Kaominina iray manana Ben’ny tanàna roa. Izay ny fiantraikan’ny voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Toamasina ny alarobia 8 janoary 2020 lasa teo, tao amin’ny Kaominina Betampona, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo

Tamin’ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, tao ami’ny Tribonaly Administratifa Toamasina, namoahana ny voka-pifidianana ofisialy dia Rakoto Justin, kandida « Indépendant Association Ravinala » no nambara fa voafidy ho Ben’ny tanànan’ity Kaominina Betampona, ary voarakitra amin'ity didy eto ity.

Ny petadrindrina eo amin’ny Tribonaly Administratifa Toamasina indray anefa milaza fa ny kandida « indépendant » Bezaka Serge Joseph no Ben’ny tanàna.

Vaka ny sain’ny vahoaka ao Betampona manoloana ny zava-mitranga, ary mametra-panontaniana hoe iza marina no tena Ben’ny tanàna voafidy tao amin’ity Kaominina ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.