Vondrombahoakam-paritra: Kaominina miisa 24 no hamerenana fifidianana

  • mercredi, 15 janvier 2020 20:48
  • Tigre

Kaominina miisa 24 manerana ny Nosy no hamerenana fifidianana taorian’ny didy navoakan’ireo Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana miisa enina eto Madagasikara. Ny 15 amin’ireo Kaominina ireo dia sady averina ny fifidianana Ben'ny tanàna no averina ny fifidianana Mpanolotsaina ; ny 9 kosa dia fifidianana Ben'ny tanàna ihany no averina.

Eo ihany koa ireo Kaominina miisa 8 izay tsy naharaisana antotan-taratasy firotsahan-kofidiana mpanolontsaina ka tsy maintsy anaovana fifidianana.

Raha ny voalazan’ny lalàm-pifidianana dia ao anatin'ny 120 andro aorian'ny haharaisan'ny Ministeran’ny Ati-tany ny fampahafantarana avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana no anaovana ny fifidianana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.