Fifidianana depiote: Hatolotra etsy Ambohijatovo anio ireo kandidan’ny TIM-K25

  • samedi, 04 mai 2019 12:56
  • Britto
  • Sary nindramina

Ho ambohimpihaonan’ny Tiako I Madagasikara-K25 eo amin’ny Kianjan’ny Demokrasia Ambohijatovo – Antananarivo anio. Hampahafantarina sy entina am-bavaka mandritra ny hetsika hotanterahina eny an-toerana ireo kandida solombavambahoaka narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM)- K25.

Nahazo alalana tamin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny hampiasana ny toerana, nahazo alalana avy amin'ny Prefektioran’Antananarivo ihany koa ny fanatanterahana ny hetsika.

Miisa 109 ny kandidan’ity antoko tarihin’i Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teo aloha ity, manerana ny Nosy.

Hisokatra amin’ny alatsinainy 6 mey 2019 izao ny fampielezan-kevitra izay haharitra 21 andro, hifarana ny 25 mey 2019 misasak’alina. Ny alatsinainy 27 mey 2019 no tanterahina manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny latsabato.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.