Birao fandatsaham-bato: Nitombo 513 ny isany

  • jeudi, 28 mars 2019 13:38
  • Zakaria

Ny fanapahana laharana faha-32/CENI/2018 tamin’ny 27 martsa 2019 no nametraka ny isan’ny birao fandatsaham-bato ho 25 365 mandritra ny fifidianana Solombavambahoaka, izay hotanterahina ny alatsinainy 27 mey ho avy izao.

Nitombo 513 araka izany ny isan’izy ireo raha oharina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taon-dasa. Ny fitombon’ny mpifidy voasoratra ao anaty lisi-pifidianana tamin’ny fanavaozana farany teo no anton’io fiakarana io, araka ny fanazavan’ny CENI. Feran’ny lalàna ho 700 tokoa mantsy ny isan’ny mpifidy ao amin’ny birao fandatsaham-bato iray, araka ny andininy faha-125 andalana faha-4 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018.

Nanipika mazava ny teo anivon’ny CENI fa tsy nisy famoronana biraom-pifidianana vaovao tamin’ity indray mitoraka ity fa fanasarahana (éclatement) no natao.

Miantso ireo antoko na vondron’antoko politika izay nandrotsaka kandidà sy ireo kandidà tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena ny CENI haka ireo lisitra sy toeran’ny biraom-pifidianana ireo, eny amin’ny CENI foibe hahafahan’izy ireo manara-maso izany mba ialana amin’ny resaka birao fandatsaham-bato matoatoa.

Manamarika anefa ny CENI fa mety mbola hiova ny isan’ireo birao fandatsaham-bato ireo raha misy ny antony tsy azo anoharana, 48 ora farafahatarany, mialohan’ny andron’ny fifidianana araka ny andininy faha-126 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 11 mey 2018.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.