Politique

    • samedi, 14 décembre 2019 12:25
    • Zakaria
    • Sary MAE

    Diplaomasia: Voaray tao Elysée ny ambasadaoro Rija Rajohnson telo volana taorian’ny nanendrena azy

    Ny talata 10 desambra 2019 Rajohnson Olivier Hugues Rija no tonga tao amin’ny Lapan’i Elysée, nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho Masoivohon’i Madagasikara miasa sy monina eo anivon’ny Repoblika Frantsay, tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron. Nandritra ny filankevitry ny minisitra tamin’ny 18 septambra 2019 no nandraisana ny didim-panjakana fanendrena an-dRajohnson Olivier Hugues Rija. Rajaonarivony Narisoa, izay efa nodimandry, no ambasadaoro malagasy farany voatendry niasa tany Frantsa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 décembre 2019 11:57
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Tsimbazaza: Sady voatositosika no nosakanana tsy hiditra ny Sekretera Jeneralin'ny Antenimierandoholona

    « Rehefa tonga nanatitra ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2020 teny amin'ny Antenimieram-pirenena ny Sekretera Jeneralin'ny Antenimierandoholona tamin'ny 23h48mn ny 13 desambra 2019 dia nidian-dry zareo teny Tsimbazaza ny varavarana ary tsy tafiditra intsony », hoy ny fampitam-baovaon’ny Antenimierandoholona. Miparitaka amin’ny tabazotra sosialy Facebook ny rakin-tsary mirakitra ny fahatongavan’ireto iraka notarihin’ny Sekretera Jeneralin'ny Antenimierandoholona ireto teny Tsimbazaza, milaza fa « voatositosika », « tsy navela hiditra » nefa tamin’ny misasak’alina latsaka fahefany izy ireo no tonga teny, mbola tao anaty fe-potoana ara-dalàna. « Baiko no azonay », hoy ny miaramila mpiambina ny lapa tsy namela an’ireo olon’ny Antenimierandoholona ireo hiditra tao Tsimbazaza.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 décembre 2019 21:37
    • Zakaria
    • Sary nomena

    Andry Rajoelina: Miantso ny firaisankina sy fiaraha-mientan’ny Malagasy hamerenana ireo Nosy Malagasy

    Natolotry ny Praiminisitra Ntsay Christian an’ny Filoha Andry Rajoelina, nandritra ny famaranana ny Dinika Nosy Malagasy natao teny amin’ny CCI Ivato androany 11 desambra 2019, ny fehin-kevitra azo nandritra ny telo andro misesy. Maro ireo soso-kevitra naroson’ireo mpizaika nandritra ity fakan-kevitra nasionaly ity, toy ny tokony hanamafisana ny fanentanana sy ny fampafahafantarana bebe kokoa ny mpiray tanindrazana ny momba ireo nosy ireo, dia ny Nosy Sambatra, Nosy Kely, Nosy Bedimaky ary Nosy Ampela. Eo ihany koa ny tokony ampidirana ireo nosy ireo ao anaty Lalampanorenana sy ny sarintanin’i Madagasikara ary ny fandaharam-pampianarana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 décembre 2019 21:23
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Roland Ratsiraka: « Tsy hanaiky valim-pifidianana feno hosoka »

    Nanao fanambarana ny MTS (Malagasy Tonga Saina), omaly talata namoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny Faritany Toamasina, fa « tsy hanaiky valim-pifidianana feno hosoka » fa « hiaro hatramin’ny farany ny safidin’ny vahoakan’i Toamasina ». Kandidan’ny MTS (Malagasy Tonga Saina) tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto amin’ny Kaominina ambonivohitra Toamasina ny 27 novambra 2019, i Roland Ratsiraka. « Nandritra ny 20 taona, MTS dia nandray anjara hatrany tamin'ireo fifidianana fa tsy mbola nahita hala-bato sy tsy fanarahan-dalàna tafahotra toy ny tamin'ity fifidianana Ben'ny tanàna izay natao teto Toamasina ny 27 novambra 2019 lasa teo ity », hoy ny fanambarana.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 11 décembre 2019 10:51
    • Anonymous
    • Photo Net

    Leçon d’histoire - Partie 2

    La Révolution Nationale Indonésienne ou Revolusi a été le nom donné à la lutte armée pour l’accès à l’indépendance de l’Indonésie. Elle a été moins connue que sa contemporaine indochinoise (Vietnam), car elle a duré moins de temps 4 ans (1945-1949) que celle du Vietnam 30ans (1945-1975), en plus elle a abouti à l’administration par l’Armée indonésienne de l’archipel pendant 33ans (1965-1998). Profiter d‘une situation historique inattendue
    Lire la suite ...
    • mardi, 10 décembre 2019 18:00
    • Zakaria

    Fanambarana iombonana teo amin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina

    Fanambarana iombonana teo amin'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina
    Lire la suite ...
    • dimanche, 08 décembre 2019 15:26
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Masy Goulamaly: « Tsy azo leferina ny fanomezana kara-panondro zaza tsy ampy taona »

    Toy ny fifidianana rehetra niseho dia tsapa fa nisy tokoa ny lesoka, ny tsy fanarahan-dalàna isan-karazany, ny fividianana ireo delegen’ny hafa. Nisy ireo lisi-pifidianana tsy tomombana, sns… hoy i Masy Goulamaly, Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin’ny Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy. « Fa ity lesoka iray ity no tena tsy azo leferina, dia ny fanomezana kara-panondro zaza tsy ampy taona ary an-jatony maro, izay asaina mandatsa-bato, satria hono voasoratra ao anaty lisitry ny mpifidy», hoy i Masy Goulamaly.
    Lire la suite ...
    • samedi, 07 décembre 2019 20:18
    • Zakaria

    Nosy Malagasy: « Tsy azo ekena velively ny fiaraha-mitantana, averina tsy misy hatak’andro », hoy ny SECES Antananarivo

    Nanao fanambarana momba ny fitakiana ireo Nosy Malagasy ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka Mpampianatra) Sampana Antananarivo, izay nivory ny zoma 06 desambra 2019 « manainga ny vahoaka Malagasy tsy an-kanavaka sy ireo tera-tany vahiny rehetra mieli-patrana manerana izao tontolo izao izay miray fo amintsika mba hiray saina sy hampandefitra ny hambom-po ka hanamafy ny fitakiantsika ireo Nosy Malagasy bodoin’ireo fahavalom-pirenena; anisan’izany ny Juan de Nova, Europa, Bassas di India, Les Iles Glorieuses, Tromelin ».
    Lire la suite ...
    • vendredi, 06 décembre 2019 18:39
    • Zakaria

    R.M.D.M: Mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra

    Nanao fanambarana ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (R.M.D.M) ny 05 desambra 2019 « mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra 2019, izay feno hosoka ary handray andraikitra hanao izay tokony ho atao amin’izany amin’ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tomponandraikitra mahefa ara-pitsarana ». Mamaky bantsilana ny fanovana ny lisitry ny mpifidy nataon’ny CENI ahafahana manao hosoka amin’ny fifidianana, ary hampandaniana kandidam-panjakana ny RMDM ary manamafy fa « ny CENI dia tsy nahaleo tena mihitsy hatramin’izay tamin’ny fanapahan-keviny sy ny asa nataony ».
    Lire la suite ...
    • jeudi, 05 décembre 2019 13:59
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Fitsarana Avo: Idealison sy Rivotiana Jean Bosco no solontenan’ny Antenimieram-pirenena

    Voafidy omaly ireo depiote solontenan’ny Antenimieram-pirenena ho mpikambana ao amin’ny Fitsarana Avo na « Haute Cour de Justice ». Voafidy ho mpikambana raikitra i Idealiso izay, solombavambahoaka voafidy tao Ampanihy, Faritra Atsimo Andrefana, sy Rivotiana Richard Jean Bosco izay solombavambahoaka voafidy tao Lalangina, Faritra Matsiatra Ambony. Voafidy ho mpikambana mpisolotoerana i Mamizara Yasmirah Loeticia izay solombavambahoaka voafidy tao Besalampy, Faritra Melaky, sy Rafenomanantsoa Tsirimaharo Ny Aina na Anyah izay solombavambahoaka voafidy tao Antananarivo III.  
    Lire la suite ...
Page 9 sur 116