Politique

    • vendredi, 10 janvier 2020 21:26
    • Tigre
    • Photos Njaka

    Communale Antananarivo Renivohitra: Naina Andriantsitohaina élu Maire

    Le Tribunal Administratif a rendu son verdict ce jour pour l'élection des maires et conseillers pour le Faritany d'Antananarivo. Le candidat de l'IRK, Naina Andriantsitohaina est élu Maire d'Antananarivo Renivohitra.C'est un opérateur économique, parmi les 10 premiers riches à Madagascar. Il était ministre des affaires étrangères, avant d'être candidat au maire, il était Président du conseil d'administration de la banque BMOI (Banque Malgache de l’Océan Indien), il a dirigé le GEM (Groupement des Entreprises de Madagascar) et le SIM (Syndicat des Industries de Madagascar). Il a 57 ans. Il a affirmé de réaliser tout ce qu'il a promis lors de la campagne électorale. (Voir Suite Photos)
    Lire la suite ...
    • mardi, 07 janvier 2020 22:19
    • Tigre

    RMDM : “Tsy nahitam-pahombiazana mihitsy ny mpitondra tao anatin’izay taona voalohany nitondrany izay”

    Nitondra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ankehitriny ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara) androany, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety ka nanambara fa “mizotra any amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena”. “Tsy nahitam-pahombiazana mihitsy ny mpitondra tao anatin’izay taona voalohany nitondrany izay, fa voa maika aza nandatsaka ny firenena amin’ny fahantrana lalina”. Tsy voahaja ny demokrasia ary tsy mbola mipetraka eto ny tena demokrasia, hoy ny RMDM. Ny fikasan’ny mpitondra hanova ny làlana laharana 2011-013 tamin’ny 9 septambra 2011momba ny “statut de l’opposition”, izay izy ireo ihany no namolavola sy nandany azy tamin’izany, ary tsy mbola nampiharina akory nefa tadiavina hovaina sahady. Eo ihany koa ny fanitsakitsahina ny Làlampanorenana sy ny làlana mifehy ny fifidianana.  “Demokrasia sarintsariny no tiana hapetraka eto”, hoy ny RMDM. Mampiahiahy ny fampiharana ny fanjakana tsara-tantana raha tarafina tamin’ny fandaniana ilay lalàna mikasika ny fitantanam-bola 2020 farany teo. Mampiahiahy ary mety hitarika any amin’ny kolikoly avo lenta ny fisian’ilay “fonds souverain” izay tsy fantatra marina ny hampiasana azy, izay midika fa tsy misy fitantanana mangarahara eto amin’ny firenena, hoy ny RMDM.
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 janvier 2020 17:31
    • Anonymous
    • Photos Présidence et Photo Archives Net

    Kianja Barea: Quid de la bonne gouvernance ?

    C’est décidé que les travaux de rénovation du Stade municipal de Mahamasina débuteront cette semaine. Ces ouvrages coûteront la bagatelle de 77millions de dollar. Les Malagasy se félicitent de la réalisation d’un tel projet, d’autant plus que cet antre du football national a mauvaise réputation au niveau extérieur, plus particulièrement africain : champ de patate, champ d’arachides, champ de manioc, de la part des équipes africaines à l’issue de leur rencontre à Mahamasina. Sans oublier, les infrastructures sont tellement surannées qu’on se demande si ce stade ne doit pas être « remplacé ». Les exploits de l’équipe nationale les Barea, et la décision du président de la FIFA récemment à Madagascar ont accéléré la prise de décision du Chef de l’Etat Andry Nirina Rajoelina de réhabiliter Mahamasina.
    Lire la suite ...
    • lundi, 06 janvier 2020 14:47
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Venezoela: Raikitra ny sakoroka ao amin'ny Parlemanta, misy filoha roa

    Nandritra ny fivorian'ny parlemanta venezoelianina no nijoroan'i Luis Parra ho filohan'ny Parlemanta any an-toerana, notapahan'ny teknisianina ny fanamafisam-peo, ka dia nampiasa mégaphone ny lehilahy nilazany ny vokatry ny safidin'ireo Solom-bavambahoaka. Naneho ny fankasitrahana izany ny filoha Venezoela Nicolas Maduro, izay filoha lany tamin'ny fifidianana fa tsy neken'ny mpanohitra, sy ireo firenana 60 hafa. Tetsy an-kilany, dia nilaza fa voafidin'ireo Solombavam-bahoaka ho filohan'ny Parlemanta ihany koa i Juan Guaido, izay mpifaninana tamin'i Nicolas Maduro tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena Venazoela, izay tohanan'ny firenena amerikanina, sy eoropeanina ho filoha mpisolo toerana vonjy maika, izay nanongana an'i Nicolas Maduro. Nianika fefy ny lehilahy hiditra an-keriny tao amin'ny parlemanta, fa nosakanan'ireo miaramila mpiambina.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 03 janvier 2020 22:53
    • Zakaria

    Magro Behoririka: Hitohy rahampitso ny hetsiky ny mpitaky ny marina

    Hetsika voalohany amin’ity taona 2020 ity etsy amin’ny Magro Behoririka - Antananarivo, no hataon’ireo mpitaky ny marina tamin’ny fifidianana kaominaly notanterahina ny 27 novambra 2019. « Tandindinin-doza ilay fahamarinana », hoy ny depiote Fidèle Razarapiera ka « mitaky izahay avoahy ny marina » raha nitafa tamin’ny mpanao gazety tao Bel’Air misy ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara androany. Nanamafy izany i Rina Randriamasinoro, kandidan’ny Tiako i Madagasikara tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto Antananrivo Renivohitra. « Porofoy aminay fa nandeha tamin'ny fahamarinana iny fifidianana iny », hoy ity farany.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 30 décembre 2019 14:11
    • Tigre
    • Sary nindramina

    Antalaha: Nokihanin’ny Praiminisitra ny fitavozavozan’ny fandraisan’andraikitry ny manampahefana

    Nidina tany Maroantsetra sy Antalaha ny delegasiona izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, omaly alahady 29 desambra 2019, nijery ireo fahavoazana vokatry ny orana nikija izay nateraky ny andro ratsy tany amin’ny faritra Avaratry ny Nosy, sady niara-nijery ny vahaolana niaraka tamin’ny tompon’andraikitra tany an-toerana avy. Nanamafy ny tokony handraisin’ny tompon’andraikitra avy hatrany ny andraikitra tandrify azy ny Praiminisitra. « Tsy rariny loatra raha efa ho herinandro dia mbola miaina ao anatin’ny rano maloto ny mponina », hoy ity farany.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 décembre 2019 10:49
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Kianjan'ny Kanto Mahamasina: Fankalazana ny faha 47 taonan'ny antoko MFM

    Kianjan'ny Kanto Mahamasina: Fankalazana ny faha 47 taonan'ny antoko MFM (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 décembre 2019 08:25
    • Zakaria

    Fiainana antoko: 47 taona androany ny MFM

    Teraka ny 27 desambra 1972, taorian’ny hetsiky ny mpianatra ny mey 1972 ny « Mpitolona ho amin’ny Fanjakan’i Madinika » (MFM). Isany mpanorina azy i Manandafy Rakotonirina, ity farany izay nodimandry ny 15 martsa 2019. Niova anarana ho « Mpitolona ho amin’ny Fandrosoan’i Madagasikara » ny MFM ny taona 1988. Mpanalalana ny  « Herivelon’i Madagasikara » tamin’ny 1991. Mpikambana ao amin’ny « Internationale Libérale » nanomboka ny taona 2006 ary mpanorina ny « Réseau Libéral Africain » ny taona 2007.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 22 décembre 2019 20:56
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Magro Behoririka: Mitohy ny hetsiky ny mpitaky ny fahamarinana

    Ambohi-pihaonan’ireo mitaky ny fampitahana ny lisi-pifidianana voasonian’ny mpifidy nifidianana solombavam-bahoaka tamin’ny 27 mey 2019 sy ny lisi-pifidianana voasonian’ny mpifidy nifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina tamin’ny 27 novambra 2019, etsy amin’ny Magro Behoririka omaly sabotsy 21 desambra. Amin’ny alalan’io fampitahana lisi-pifidianana io no hivoahan’ny marina mikasika ny fifidianana natao farany teo, ary hampisinda ny ahiahy rehetra, hoy ireo mpitarika nifandimby naneho hevitra. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 décembre 2019 14:53
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Magro Behoririka: Ambohimpihaonan’ireo mitaky ny fahamarinana sy ny hampanjakana ny ara-dalàna

    Nifamotoana teo amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 14 desambra 2019, ireo olomboafidy, filohan’antoko, sendikalista, mpiasa, olom-pirenena tsotra niray feo mitaky ny fampitahana ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 27 mey 2019 sy izay nampiasaina tamin'ny Ben'ny tanàna sy ny mpanolotsaina ny 27 novambra 2019. « Tolona Iombonana ho an'ny Marina » no iarahan'ny rehetra amin'izao fotoana. Manaitra ireo filoham-piangonana ihany koa ireo mpitarika teo amin’ny Magro mba « hijoro » fa « mikasa hampandany lalàna mampifototra ny mpiara-belona amin'ny fanambadian'ny lahy samy lahy, na vavy samy vavy » ny mpitondra amin'izao fotoana. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
Page 8 sur 116