Politique

    • vendredi, 24 janvier 2020 17:15
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Fiainan'ny Antoko: Nanatontoso fihaonambe ny AVI

    Notanterahina tetsy amin'ny Carlton Anosy ny fihaonamben'ny antoko politika AVI, na ny Asa Vita no Ifampitsarana, izay notarihin'i andramatoa Norbert Lala Ratsirahonana. Anisan'ny notsindrian'ny fihanambe fa tsy natao hialokalofan'ny jiolahy ny antoko AVI, ary mampanaja ny fanjakana tsara tantana. Nanamarika ihany koa fa ao anatin'ny fifanajana sy fanampiana ny fitondrana no ampandroso ny Firenena, fa tsy ny fifanaratsiana sy ny fanalana baraka, na anatin'ny tsikera lava. Nambaran'i Norbert Lala Ratsirahonana, tamin'ny lahateniny ihany koa fa tamin'izy nirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena dia hanafoana ny fisakafoanana atao isan-taona sy ny 26 jona eny amin'ny lapa-panjakana no anisan'ny teniny tamin'izany, izay amin'izao fotoana hitondran'i Filoha Andry Rajoelina izao vao tanteraka.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 24 janvier 2020 15:03
    • Zakaria

    Vovonan’ny mpanohitra: Hanao fikaonan-doha ny RMDM

    Hanatanteraka ny fikaonandohan'ny mpanohitra ao amin'ny Carlton Anosy ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (RMDM) rahampitso sabotsy 25 janoary 2020.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 janvier 2020 15:21
    • Zakaria
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Kaominina ambonivohitra Antsirabe: Mandray ny asany ny Ben’ny tanàna vaovao

    Tontosa androany maraina ny famindram-pahefana teo amin-dRtoa Ranivombohangy Lalanirina filohan'ny delegasiona manokana nitantana ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, hatramin'ny naha any am-ponja ny Ben'ny tanàna Paul Razanakolona teo aloha, sy Rasamimanana Honoré Gabriel, Ben’ny tanàna vaovao. Avy amin'ny vovonana IRK ity Ben'ny tanàna vaovao ity, ary efa mpanolotsain’ny tanàna ihany teo aloha, na tsy dia tazana tamin'ny fivoriana ihany aza. Tsy vaovao amin'ny olana misy ao amin'ny Kaominina ny tenany, toy ny fanadiovana ny tanana, fanarenana ny fotodrafitr'asa isan-karazany, fa indrindra ny karaman'ny mpiasa izay tafakatra ho 12 volana no tsy voaloa, saingy nahavita 2 volana ny delegasiona manokana. Hatao ny sabotsy 25 janoary 2020 ny lanonana fametrahana samboady amin’ny Ben'ny tanàna vaovao. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 janvier 2020 15:06
    • Zakaria
    • Sary: Simon Noumenjanahary Fandrava

    Kaominina Ambositra: Lasa vehivavy, misolo vehivavy

    Vehivavy, Vola Andrianarivo no Ben’ny tanànan’ny Kaominina ambonivohitra Ambositra, nahavita ny taom-piasana farany Septambra 2015 – Janoary 2020. Vehivavy ihany koa, Haingo Nambinina, ny Ben'ny tanàna vaovao nivoaka mpandresy tamin’ny latsa-bato tamin’ny 27 novambra 2019. Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin’ny roa tonta, ary dia mandray ny asa maha Ben'ny tanànan’Ambositra azy Haingo Nambinina. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 23 janvier 2020 14:56
    • Zakaria

    Amoron'i Mania: Hatao rahampitso ny fametrahana ny samboadin'ireo Ben’ny tanàna rehetra

    Hotanterahina eo Antampovinany-Ambositra ny zoma 24 janoary 2020 ny fametrahana ny samboadin'ireo Ben’ny tanàna rehetra voafidy tato amin'ny faritra Amoron'i Mania, tamin’ny fifidianana kaominaly natao ny 27 novambra 2019. Miisa 55 ireo Kaominina mandrafitra ny Faritra Amoron’i Mania, ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahazoarivo, Distrikan’i Fandriana ihany no nodidian’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana Fianarantsoa haverina ny fifidianana noho ny tsy fahatomombanana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 21 janvier 2020 09:23
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary

    Harifidy Ramanandraibe: Nohadihadiana teny amin’ny Toby Ratsimandrava

    Nahazo fiantsoana avy amin’ny Brigade Criminelle Spéciale eo anivon’ny Zandarimaria Toby Ratsimandrava i Harifidy Ramanandraibe, mpanao gazety mpamakafaka politika ao amin’ny haino aman-jery tsy miankina i-BC Antananarivo. Raharaha fitoriana momba tany eny Nanisana no nihainoana azy, ary afaka namonjy fodiana izy taorian’izay. Fanindroana izao i Harifidy Ramanandraibe natao fanadihadiana, tato anatin’ny roa herinandro izay. Tamin’ny voalohany dia mahakasika ny fanahiana ho manafina fitaovam-piadiana no antony nisavàna ny tranony sy nanaovana fanadihadiana azy teny anivon’ny BC Polisim-pirenena Anosy, ny alahady 12 janaory 2019.    
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 janvier 2020 19:43
    • Njaka
    • Sary Njaka

    Iavoloha: Fihaonana tamin'ny mpanao gazety

    Iavoloha: Fihaonan'ny mpanao gazety, ny tonian-dahatsoratra, ny tompon'ny orinasan-gazety tamin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina teny amin'ny lapa-panjakana Iavoloha ny alatsinainy 20 janoary 2020. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 janvier 2020 13:37
    • Zakaria

    Filankevitry ny tanànan’Antananarivo: Voafidy ho filoha i Andriamparany Guy Ralitera

    Miatrika fivoriana voalohany ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo androany, ifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra. Telo ny kandida nifaninana ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna dia Andriamparany Guy Ralitera narotsaky ny vovonana IRK, Andriambahoaka Faustin narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara. Filohan’ny filankevitry ny tanàna nandritra ny fitondran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ity farany. Ralambomahay Toavina no kandida naroson’ny lisitra KOMBA, avy amin’ny Antoko Politika Madio. Tonga avokoa ireo mpanolotsaina miisa 55 mandrafitra ny Filankevitry ny tanàna. Nahazo vato 28 ny IRK, 25 ny an’ny TIM ary 2 ny an’ny KOMBA. Fihodinana in-dray mihodina no natao. Voafidy ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna, nahazo ny vato be indrindra i Andriamparany Guy Ralitera.
    Lire la suite ...
    • lundi, 20 janvier 2020 10:44
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Antananarivo Renivohitra: Mivory voalohany ny Mpanolotsain’ny tanàna

    Miatrika fivoriana voalohany ny Filankevitry ny tanànan’Antananarivo anio alatsinainy 20 janoary 2020, araka ny fampiantsoana nataon’ny Prefen’Antananarivo taorian’ny famoahan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana ny vokatra ofisialy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna ny zoma 10 janoary 2020 lasa teo. Raha ny voalazan’ny lalàna, dia mivory voalohany ny filankevitry ny tanàna herinandro aorian’ny fivoahan’ny vokatra ofisialy. Ny zokiolona sy zandriolona no mitarika ny fivoriana fananganana ny birao maharitra. Miisa 55 ny mpanolotsain’ny tanànan’Antananarivo, ka samy manana 25 avy ny IRK sy ny Tiako i Madagasikara, manana telo ny KOMBA (Antoko Politika Madio) ary iray avy ny tsy miankina Lalatiana Ravololomanana sy ny tsy miankina Tiana Laurence Randrianatoandro.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 19 janvier 2020 18:24
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Andry Rajoelina: Hihaona amin’ny mpanao gazety eny Iavoloha

    Hihaona an-databatra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo tonian-gazety miaraka amin’ny tompon’ny orinasan-gazety ny marainan’ny alatsinainy 20 janoary 2020. Fihaonana manokana voalohany eo amin’ny andaniny sy ankilany io, mifanandrify ihany koa amin’ny tsingeritaona voalohany maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an’i Andry Rajoelina.
    Lire la suite ...
Page 6 sur 116