Politique

    • vendredi, 21 février 2020 11:51
    • Zakaria
    • Photos fournies

    Plan Emergence Madagascar: 240 millions d'euros de la France pour sa mise en œuvre

    Deux conventions de partenariat entre la France et Madagascar ont été signées, hier, au Palais d'Etat d'Iavoloha. La France débloque un appui budgétaire de 240 millions d'euros en guise de soutien à la mise en oeuvre du Plan Emergence Madagascar. La première convention signée porte sur la subvention de 14,3 Millions d'Euros pour un appui au plan sectoriel de l'éducation (PSE). La signature a été effectuée entre le Ministre chargé de l'Aménagement du territoire et des Travaux publics, Hajo Andrianainarivelo qui assure l'intérim du Ministre de l'Economie et des Finances, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard, en présence du Président malagasy et du Ministre français en charge de l'Europe et des Affaires Etrangères. La seconde convention portant sur l'accord-cadre de partenariat sur l'éducation d'une durée de trois ans a été signée par la Ministre de l'Education nationale, de l'Enseignement technique et Professionnel, Rijasoa Andriamanana Josoa, et l'Ambassadeur de France à Madagascar, Christophe Bouchard.
    Lire la suite ...
    • vendredi, 21 février 2020 11:40
    • Zakaria
    • Photo illustration - Présidence

    Iles Éparses: « Les négociations vont se poursuivre en confiance », dit Jean-Yves Le Drian

    Lors d'une brève interview, le Ministre français en charge de l'Europe et des Affaires Étrangères français Jean-Yves Le Drian a évoqué les négociations en cours entre la France et Madagascar concernant la restitution des îles Malagasy de l'Océan Indien. Jean-Yves Le Drian de soutenir que « les négociations vont se poursuivre en confiance, en amitié et en clarté ». Selon ses dires, la question des îles Éparses mérite une discussion approfondie.    
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 20:08
    • Zakaria
    • Sary: MAE

    Jean-Yves Le Drian: Nigadona teny Ivato io tolakandro io

    Manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny lehiben'ny diplaomasia frantsay Jean-Yves Le Drian. Manomboka androany, ary haharitra roa andro. Ny tolakandro teo no nigadona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ity minisitra frantsay ity. Nitsena azy teo ampahatongavana ny Minisitry ny raharaham-bahiny malagasy Tehindrazanarivelo Liva. Anio hariva ihany dia horaisin'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina eny Iavoloha i Jean-Yves Le Drian. Votoatin'ny diany eto ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'i Madagasikara sy Frantsa. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 11:38
    • Zakaria

    FANAFOANANA

    Araky ny tolokevitry ny Minsiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjarampahefana : • Foana ny didim-panjakana manendry Sektretera Jeneraly, Talem-paritry ny fampandrosoana ny faritra ary ireo Tale misahana ny fiandraiketan-draharampanjakana ankapobeny isam-paritra ao amin’ny Faritr’i Vakinankaratra sy Vatovavy Fitovinany.• Foana ny didim-panjakana nanendry ireo talem-paritany rehetra• Foana ny didim-panjakana manendry ny mpandridnra jeneralin’ny Office National de Concertation sur la Décentralisation.• Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Ambovombe.• Foana ny didim-panjakana nanendry ny Préfet ao Tolagnaro.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 20 février 2020 11:02
    • Zakaria

    FANENDRENA

    Ny filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena iretompiasam‐panjakana ambony ireto: Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Fitsarana :• Atoa IMBIKI Herilaza, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly Araky ny tolokevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :• Atoa HERMAN Reminantenaina, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’Amboasary-Sud• Ramatoa ZARA Amélie, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Toliara II• Atoa RANDRIAMANGA Falinirina Manoela, dia voatendry ho lehiben’ny distrikan’i Betioky-Sud• Atoa RANDRIANTSARA Théophile, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan’i Marolambo• Atoa RAFENOLAZA Jean Jacques, dia voatendry ho lehiben’ny Distrikan ‘i Soalala
    Lire la suite ...
    • mercredi, 19 février 2020 15:12
    • Zakaria
    • Tahirin-tsary nindramina

    Jean-Yves Le Drian: Hitsidika ny Rova Antananarivo mandritra ny diany eto

    Fenofeno ny fandaharam-potoanan’i Jean-Yves Le Drian, minisitra frantsay misahana an’i Erôpa sy ny raharaham-bahiny izay ho avy hitsidika an’i Madagasikara amin’ity herinandro ity. Hihaona amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny mpitondra ambony malagasy izy, hanao jeritodika ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy Madagasikara. Handalo ao amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo i Jean-Yves Le Drian, avy eo hiaraka amin’ny Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina hitsidika Rova Antananarivo, izay andalam-panarenana amin’izao fotoana izao, ary orinasa frantsay rahateo no manatanteraka ny asa. Mifankalala ny roa tonta satria efa nihaona fony Naina Andriantsitohaina minisitry ny raharaham-bahiny malagasy. Hidina ifotony hijery ireo tetikasa vatsian’ny AFD (Agence Française de Développement) vola ihany koa ity lehiben’ny diplaomasia frantsay ity. Hitsidika ny Institut Pasteur eny Avaradoha aorian’izay dia hihaona amin’ireo Frantsay miasa sy monina eto Madagasikara. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 19 février 2020 12:58
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Hery Rajaonarimampianina: Notendren’ny Vondrona Afrikanina hitarika iraka mpanara-maso fifidianana filoham-pirenena any Togo

    Hiatrika fifidianana filoham-pirenena ny ao Togo ny 22 febroary 2020 izao. Notendren’i Moussa Faki Mahamat, filohan’ny Vaomiera Afrikanina, ho lehiben’ny MOEUA (Mission d’Observation Electorale) izay iraka mpanaramaso io fifidianana any Togo io ny filoham-pirenena malagasy teo aloha, Hery Rajaonarimampianina. Efapolo ny mpikambana mandrafitra ny delegasiona, ahitana ambasadaoro miasa eo anivon’ny Vondrona Afrikana, Parlemantera, rafitra mpikarakara fifidianana, fiarahamonim-pirenena ary ivontoerana akademika afrikanina. Hanao tatitra mikasika ny zotram-pifidianana sy ny fandehan’ny latsabato ny MOEUA aorian’ny 22 febroary. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 13:51
    • Zakaria
    • Sary nindramina

    Jean-Yves Le Drian: Hitsidika an’i Maorisy, Madagasikara ary Mozambika

    Hitsidika firenena telo aty Afrika i Jean-Yves Le Drian, minisitra frantsay misahana an’i Eoropa sy ny raharaham-bahiny ny 20 ka hatramin’ny 22 febroary 2020, raha ny voarakitra ao amin’ny tetiandro hita ao amin’ny tranokalan’ny Quai d’Orsay. Tsy voafaritra ao ny anton-diany ankoatra ny hoe fitokanana ny "Bureau de coopération décentralisé de Mayotte" eto Antananarivo araka ny tati-baovaon'ny JDM atsy Mayotte, fa maminavina ny maro fa ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa dia mety manomana ny fanatanterahana ny tetikasa nambaran’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron ny hametrahana foibem-pikarohana momba ny voaary ao amin’ny Nosy Sambatra ato ho ato io diany io. Mety ho voaresaka mandritra ny diany eto Madagasikara ihany koa ny tohin’ny dinika momba ireo Nosy Malagasy. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 18 février 2020 11:20
    • Zakaria
    • Sary: CUA

    Naina Andriantsitohaina: Miantso ireo manan-trano sy mpanofa rehetra eo amin’ny « avenue de l’indépendance » hanavao ny lokon’ny tranony

    Miantso ireo tompontrano sy mpanofa rehetra, hanavao ny lokon’ny tranony ho fanatsarana ny Tanàna, indrindra ny eo amin’ny « avenue de l’indépendance », ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina. Nampahatsiahy ity farany fa milaza izany ny lalàna ary « mino aho fa tsy hiandry fampitandremana avy aty amin’ny Kaominina ianareo », hoy izy nandritra ny fananganan-tsaina isaky ny alatsinainy maraina. Mikasika ny fanadiovana sy fandaminana ny tanàna dia nohamafisiny tamin’io omaly io, fa « tsy mihemotra ny Kaominina amin’ny fampiharan-dalàna sy ny fanadiovana ny Tanàna ». « Na maika aza isika, tsy mila mikoropaka. Mila miova ny toetsaina ary mila fotoana izany ».    
    Lire la suite ...
    • lundi, 17 février 2020 19:43
    • Zakaria
    • Loharanom-baovao: Tambatra Antoko

    MFM: Mampivondrona ireo mpiara-mitolona hiatrika ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika

    Miomana amin’ny fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika ny MFM. Mampivondrona ireo mpiara-mitolona efa ela tsy hita sy ireo tany anaty fikambanana samihafa hanatevin-daharana, hanome hery sy tanjaka indray ny MFM ny antoko hiatrehana izany. Taratr’izany ny lanonana fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2020 nataon'ny mpikatroka MFM tao Fianarantsoa ny sabotsy 15 Febroary 2020 teo. Nivoitra tamin’ity fihaonana ity fa tsy hanonga-panjakana ny MFM, tsy hanohitra, tsy hiaraka amin'ny antoko mpanohitra, tsy hiandany amin'ny fanjakana fa hitondra hevitra, fomba fiasa hanitsiana ny làlana diso nitondrana ny Firenena. (Loharanom-baovao: Tambatra Antoko) (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
Page 2 sur 116