Politique

    • jeudi, 18 avril 2019 14:42
    • Britto
    • Sary Gasypatriote Antsirabe

    Vary mora: Hanosehana ny kandidam-panjakana

    Voaporofo ankehitriny fa natao hanosehana sy hampandaniana ny kandidam-panjakana ny vary mora raha teto Vakinankaratra. Niharihary izany teto Antsirabe, satria nandray an-tanana ny fitaterana izany ireo kandidam-panjakana ary mampiseho ny maha izy azy mandritra ny fizaram-bary. Raha ny tao Andranomanelatra moa dia nabaribary ny fikambanana nizara ny vary mora, ary ny ekipan'ny kandida no nizara sy nivarotra izany. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 18 avril 2019 11:42
    • Britto

    « Précampagne » : Mijery florà ny CENI

    Gaboraraka tanteraka ny miseho amin’izao manoloana ity « Précampagne » amin’ny fifidianana solombavambahoaka ho avy ity. Samy manao izay saim-patany ireo kandida manararaotra ny tsy fisian’ny lalàna mifehy ny fampielezankevitra mialoha ny fotoana, hany ka ao ny efa manaparitaka ny afisiny misy soratra fidio amin’ny tambazotra sosialy facebook, ao ny mametaka afisy maneho ny endrikendriky ny bileta tokana efa nasiana marika ny faritra asiana ny safidy. Manginy fotsiny ireo kandida misisika milahatra amin’ny filoha sy minisitra manao asan’ny mpanatanteraka. Tsy voafehin’ny CENI ny tsy fanarahan-dalàna miseho, manao litania fampahatsiahivana lalàna ihany fa tsy misy mpihaino.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 17 avril 2019 10:42
    • Britto

    Bianco: Mitady Tale jeneraly vaovao

    Ho tapitrika afaka roa volana eo ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco) Andriamifidy Jean Louis, rehefa naharitra dimy taona. Araka ny voalazan’ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna 2016-020, tamin’ny 22 aogositra 2016, momba ny ady amin’ny kolikoly dia dimy taona tsy azo havaozina ny fepotoam-piasan’ny Tale jeneralin’ny Bianco io. Didim-panjakana 2014-642 tamin’ny 4 jona 2014 no nanendrena an’i Andriamifidy Jean Louis ary ny 23 jona 2014 izy no nanao fihanianana. Ho tapitra amin’ny 23 jona 2019 izany ny fe-potoana niantsorohany io andraikitra io. Misy ny tolotr’asa hitadiavana izay ho solony. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mardi, 16 avril 2019 13:48
    • Tigre

    Vondrom-paritra SADC : Ratsy toerana i Madagasikara

    Mafanafana ny fifandraisana diplaomatika eo amin'i Madagasikara sy ny vondrona SADC, taorian'ny tsy nanatrehan'i Madagasikara ny fivorian'ny SADC tatsy Pretoria Afrika Atsimo fa nandeha namonjy "Conférence de Marrakech" tany Maroc tamin'ny 27-28 Martsa. Raha ny loharanom-baovao akaiky ny ministeran'ny raharaham-bahiny dia firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara ka malalaka amin'ny fanapahan-kevitra raisiny. Maroc dia ratsy eo imason'izao tontolo izao noho ny fibodoany an'i Saharaha Andrefana ary zanahiny ka miandrandra fahaleovantena.
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 avril 2019 20:07
    • Tigre
    • Sary nomena

    Ambohijafy Toamasina I: Nitsidika sy nifanakalo hevitra tamin'ny mponina i Irmah Naharimamy

    Nitsidika ireo mponina tao amin'ny cité indigent parcelle 14/31 Ambohijafy ny kandida Irmah Naharimamy sy ireo mpiara-miasa aminy. Niangavian'ny mponina azy tamin'izany ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa eo an-toerana, satria rehefa avy ny orana dia dobon-drano ny faritra, tsy ampy ireo toerana hanariana fako, tsentsina ireo tatatra, ka miakatra ny loto sy ny fofona rehefa mafana ny andro. Nisy ihany koa ireo mponina tena sahirana teo an-toerana ka nitondra izay voatsirambin'ny tanana ny Kandida ho solombavambahoana Irmah Naharimamy, anampiana ireo sahirana, toy ny vary, sy savony... Nanentana ireo mponina kosa izy ny hitandroana ny fahadiovana, ary andraisan'ny tsirairay andraikitra ny amin'izany.  (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • samedi, 13 avril 2019 19:43
    • Tigre
    • Sary nomena

    Boriboritany faharoa: Dinidiniky ny mpianakavy niaraka tamin'i Rastany

    Tonga niaraka nifanakalo hevitra tamin'ireo solotenan'ny mponina teny Ambohipo, Ambolokandrina, ary Andohanimandroseza ny kandida sy ireo iray lisitra aminy, avy amin'ny Tiako i Madagasikara, Randrianarisoa Stanislas na Rastany, depiote teo aloha voafidy tao Antananarivo faha-2. Anisan'ny nivoatra tamin'ny lahadinika ny fandaminana ny tanàna, ny tsena, ny fandriam-pahalemana, ary ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa toy ny sekoly sy ny dispensera.Tao ihany koa no nangataka ny hisian'ny Lycée ety amin'ny boriboritany faha 2, satria tokoa, efa misy ny EPP, ny CEG, ny Oniversité ety, fa ny Lycée no voadingana.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 11 avril 2019 14:43
    • Britto
    • Sary: BR

    Beboarimisa Ralava: Nomen’ny « Filankevitry ny Olonkendry » tso-drano tao Tanakidy

    Tontosa tao Tanakidy ny alarobia 10 aprily 2019 ny Fitsofan-drano an'i Beboarimisa Ralava tao amin'ny Filankevitry ny Olonkendry (Comité des Sages). Araka ny nambaran'ny Ampanjaka dia isany kandida solombavambahoaka nahazo an'io tso-drano io izy. Raha ny fanazavana hatrany dia anton’ny nanomezana tsodrano azy ny fahendreny mahalala mody hanasoa ny tanàna niaviany. Fanaon'ny olona tokoa hoy izy ny mitondra mody rehefa avy nikarama tany ampilan-dravinahitra.
    Lire la suite ...
    • mercredi, 10 avril 2019 16:12
    • Britto
    • Sary nomena

    Fifidianana depiote: Sahy hiatrika fifidianana eto Antananarivo ny zanak’Imady

    Nahazo tsodrano tamin’ireo raiamandreny sy mpikambana ao amin’ny IMIANTA (Imady MIray eto ANTAnanarivo) ireo kandida mpiray lisitra narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25 ao amin’ny Boriborintany faha-II, dia Randrianarisoa Stanislas na Rastany sy Tahinjanahary David, ity farany izay zanak’Imady tokana sahy hiatrika fifidianana eto Antananarivo Renivohitra. Nampahafantarina tamin’ireo mpikambana IMIANTA ireo kandida, sady notsofin-drano satria ny tsodrano zava-mahery. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • lundi, 08 avril 2019 11:30
    • Britto
    • Sary nindramina

    Arlette Ramaroson: Hijoro ho mpisolovava maimaimpoana ireo iharan’ny tsindrihazolena

    Manohy sy manamafy ny ady amin’ny kolikoly efa nambarany raha nirotsaka ho kandida tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2018 i Arlette Ramaroson. Miantso ny olona rehetra hiverina amin’ny tena fitiavan-tanindrazana ity mpitsara iraisam-pirenena ity, sady mpitarika ny antoko VTTFM (Vondrona Tia Tanindrazana ho an'ny Fanorenana an'i Madagasikara) sy ny fikambanana MMV (Malagasy Mitsimbina Vahoaka) ihany koa. Nanambara izy fa misy ny vondrona mpahay lalàna miaraka aminy hiady amin’ny kolikoly, mijoro hanampy maimaimpoana ireo Malagasy sahirana ara-pivelomana, ireo iharan’ny tsindrihazolena na manana ady tany, sy ireo olona manana olana goavana amin’ny fiainany andavanandro nefa tsy manana mpisolovava. “Tsy hampandoa vola azy ireny izahay na Ariary aza”, hoy i Arlette Ramaroson fa “ny zavatra angatahanay dia tsy mahazo manao kolikoly amin’ny Fitsarana izay ampianay, raha tsy izany dia manasa tanana izahay”.
    Lire la suite ...
    • dimanche, 07 avril 2019 22:39
    • Britto
    • Sary nomena

    Tetikasa « Miami » : Ho vita afaka telo herinandro ny drafitra

    Nambaran’i Andry Rajoelina tamin’ny lahateniny, androany, nandritra ny fametrahana ny vatofehizoron’ny asa fanamboarana ny lalana “voie rapide” mampitohy ny seranantsambon’i Toamasina sy ny lalam-pirenena faha-2 fa hovita afaka telo herinandro ny drafitry ny tetikasa « Miami » na fanavaoazana tanteraka ny “bord” Toamasina hanaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Fampanantenana nataon’i Andry Rajoelina tamin’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin’ny 2018 ity tetikasa « Miami » eto Toamasina ity.    
    Lire la suite ...
Page 1 sur 78