Filtrer les éléments par date : dimanche, 19 janvier 2020

Tombanana ho maherin’ny 12 000 ireo tonga teny Firarazana- Tampoketsa, Distrikan’Ankazobe androany tamin’ny fanombohana ofisialy ny taom-pambolenkazo 2020. Zanakazo manodidina ny 1 200 000 no novolena tamina velarantany 500 ha nandritra izany.

Nandray anjara ny mpiasam-panjakana, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiara-miombon'antoka, ny olon-tsotra, ny avy amin’ny Foloalindahy. Toy izany koa ny teny anivon’ny Faritra. Tanjona ny hambolena zanakazo 60 tapitrisa amin’ity taona hankalazana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena ity.

Nitarika izany teny an-toerana ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny lehiben'ny Governemanta Ntsay Christian.

Nosantarina teny Firarazana androany ny fampiasana ireo fomba moderina toa ny famafazana amin’ny alalan’ny fiaramanidina.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sociale

Voasambotry ny miaramilan'ny 3RG DAS Marotsipoy, ny zoma 17 janoary 2020, tao Ambohitsimarofotsy distrikan'Anjozorobe i Randriamanga. Efa nokarohina hatry ny ela ity mpaka an-keriny ikoizana ity, no izao tratra izao.  Efa natolotra ny Zandary ny andron'io ihany izy.

 
Publié dans Tselatra

Hihaona an-databatra eny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo tonian-gazety miaraka amin’ny tompon’ny orinasan-gazety ny marainan’ny alatsinainy 20 janoary 2020.

Fihaonana manokana voalohany eo amin’ny andaniny sy ankilany io, mifanandrify ihany koa amin’ny tsingeritaona voalohany maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara an’i Andry Rajoelina.

Publié dans Politique

Nindaosin’ny fahafatesana androany, teo amin’ny faha-70 taonany i Franck Raharison. Mpanao gazety zokiolona, isan’ny mpiara-nanangana ny La Gazette de la Grande Ile izy, efa tao amin’ny Madagascar-Tribune sy Madagascar-Matin ihany koa.

Nandeha nisotro ronono izy tamin’ny taon-dasa.

 

Publié dans Tselatra

Tanterahina eny Firarazana- Ankazobe anio 19 janoary ny fanokafana ofisialy ny taompambolen-kazo 2020. Midadasika amin'ny velarana 500 hektara ny toerana hambolena ireo zanakazo manodidina ny 1 200 000 anio, sady mifanandrify indrindra amin’ny tsingerintaona voalohany nandraisan’i Andry Rajoelina ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara azy.

 

Publié dans Tselatra

Notanterahina teo amin’ny Kianjan’i Mahamasina ny 19 janoary 2019 ny lanonana ara-pitsarana nandraisan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana ny fihanianan’i Andry Nirina Rajoelina, ka nandraisany ny fahefana feno maha filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy nanomezana azy ireo mari-pamantarana hita maso manamarika izany, dia ny samboady sy ny mariboninahi-pirenena ambony indrindra mifanaraka amin’izany.

Nianiana izy tamin’io fa hanaja toy ny anakandriamaso ny Lalampanorenana sy ny lalam-panjakana, hikatsaka ny soa ho an'ny vahoaka Malagasy. Hanokana ny heriny rehetra hiarovana sy hanamafisana ny firaisam-pirenena sy ny zon'olombelona.

Publié dans A la Une

Tanterahina eny amin’ny Coliseum Antsonjombe-Antananarivo, anio Alahady 19 janoary 2020 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ny fanompoam-pivavahana ataon’ny Filoha sy ny Biraon'ny Mpiandraikitra Foibe FJKM ho fitondrana am-bavaka ny taom-piasana 2020 sy ny Filohan'ny FJKM sy ny ankohonany ary ny asa fanompoany.

Tsy nisy fanompoam-pivavahana ao am-piangonana amin'ity Alahady ity.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Art et Culture
dimanche, 19 janvier 2020 14:10

19 janvier

Journée internationale du Pop Corn.

 

Publié dans Fil info