Filtrer les éléments par date : mardi, 25 juin 2019

"Ny fahatafitanay any amin'ny ampahavalon-dalana no fanomezana tinay hatolotra ny vahoaka Malagasy amin'izao fetim-pirenenay izao.", hoy i Lalaina Nomenjanahary na Bôlida androany nandritra ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety mialoha ny lalao hifanandrinan'ny Barea Madagasikara amin'i Burundi, lalao faharoa hatrehin'ny ekipa roa tonta ao amin'ny vondrona B.

"Vonona hanome lalao tsara ho an'ny Malagasy izahay", hoy hatrany i Bôlida.

Nanamafy izay fahavononan'ny mpilalao izay ihany koa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Ity farany izay nilaza fa sitrana avokoa ireo mpilalao naratra, izay tsy afaka niatrika ny lalao voalohany nifandonan'ny Barea tamin'i Guinée.

 

 

Publié dans Sport

Tafaverina an-tanindrazana androany ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto, rehefa avy nanotrona sy nankahery ary nanolotra vatsy, avy amin'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, ho an'ny ekipam-pirenena Malagasy amin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara tany Egypta tamin'ny fiandohan'ny fiadiana ny Amboaran'i Afrika na CAN 2019.

Nisy ny fihaonan'ny minisitra Tinoka tamin'ireo tomponandraikitra ambony mitantana ny baolina kitra aty Afrika (CAF) sy manerantany (FIFA), ary koa tamin'ireo minisitry ny spaoro avy amin'ireo firenena afrikanina tonga tao Egypta tamin'ny fanombohan'ny CAN.

Tsara tso-drano, ary dia vonona ara-batana sy ara-tsaina hiatrika ny lalao amin'i Burundi ny Barea ny alakamisy 27 jona izao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Sport

Nampiantso atrikasa handraisana fanapahan-kevitra momba ireo laharam-pahamehana amin’ny andiany faharoa amin’ny fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny Firenena Mikambana, ho fanamafisana ny filaminana sy ny fandriampahalemanana eto Madagasikara, teny Mahazoarivo ny 24 Jona 2019, ny Komity mpitantana izany, izay notarihin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian sy Ramatoa Violette Kakyomya, solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara.

Mpikambana maromaro eo amin’ny governemanta no nanatrika izany atrikasa izany ; tao ihany koa ny solontena avy amin’ny andrim-panjakana toy ny “Comité pour la Sauvegarde de l’Intégrité”, ny Bianco, ny SAMIFIN, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola amin’i Madagasikara.

Publié dans Vaovao

Nihena hatramin’ny 44% ny tetibolan’ny PAC (Pôle Anti-Corruption) ka lasa 3,9 lavitrisa Ariary izany raha tokony ho 7 lavitrisa raha tarafina amin’ny tetibolam-panjakana 2019 nasiam-panitsiana, hoy ny firaisamonimpirenena misehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo omaly.

Maneho ny ahiahiny ny amin’io fihenana io ny fiarahamonim-pirenena. Mametra-panontaniana izy ireo, moa ve tsy midika ho tsy firaharahiana miharihary ny ady amin’ny kolikoly io fampihenana ny tetibolan’ny PAC io, na dia teo aza ireo fanambarana niezinezina nataon’ireo tomponandraiki-panjakana ?

Amin’ity taona 2019 ity no tokony hametrahana ny PAC any Mahajanga.

 

Publié dans Politique

Raha mbola ampiandrasana ny vokatra ofisialy havoakan’ny Fitsarana avo momba ny Lalampanorenana amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny maro, dia tsy vitsy ihany koa izao no efa manomana ny fifidianana Ben’ny tanàna. Tsy mbola voafaritra ny daty ofisialy hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna, dia heverina ny hanatanterahana azy amin’ity taona 2019 ity. Ho tapitra afaka roa volana eo rahateo ny fe-potoana iasan’ireo Ben’ny tanàna amperin’asa amin’izao.

Anisan’ireo re fa miomana hirotsaka ho kandida amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo, eto Antananarivo renivohitra, i Andriantsilavo Zo Christian. Efa voafidy Solombavambahoakan’i Madagasikara izy ary maro ny nanantena ny fiverenany ho Solombavambahoaka tamin’ny fifidianana farany teo. Efa mpanolontsaim-paritra vaofidy tao amin’ny Faritra Analamanga ihany koa izy.

Publié dans Politique

Handray ny asany amin’ny maha Tale mpiandraikitra vaovaon’ny Banky Iraisam-pirenena hiasa eto Madagasikara azy Ramatoa Marie-Chantal Uwanyiligira manomboka amin’ny volana septambra ho avy izao.

Handao an’i Madagasikara Ramatoa Coralie Gevers, Tale teo aloha, noho ny fahavitan’ny fe-potoam-piasany nandritra ny 5 taona.

Publié dans Economie

Le vitiligo, aussi appelé leucodermie ou achromie - du latin vitium (« défaut, vice ») - est une maladie chronique de l'épiderme. Elle se caractérise par des taches blanches (dépigmentation) sur la peau, de dimension, d'aspect et de localisation variables, qui tendent à s'agrandir.

(Wikipédia)

 

 

Publié dans Fil info

Manaraka ilay épisode tantarain'ilay namana momba ny nahafaty an'i Maurice Tsihavonana, Nadine, Mamy Rakotoarivelo...

Tsy aritro ny tsy hiteny.
Tsy hidirako izay tantara tany aloha tsy fantatro.
Fa raha ny nametrahana paika rehetra nampandaniana an'i Hery Rajaonarimampianina dia fantatro loatra, satria anisany ivo-toerana tamin'izany aho.

Tao Mahajanga io sarinay telo io. Hery Rajaonarimampianina ary Andry Rajoelina.
Nifandinika ny stratégie rehetra ampandaniana an'i Hery Rajaonarimampianina.

Lany i Hery Rajaonarimampianina. Tantara hafa indray ny nivadihany sy nandakany an'i Andry Rajoelina sy izahay rehetra nanao izay nampandaniana azy.

Publié dans Editorial