Filtrer les éléments par date : lundi, 24 juin 2019

Mandry andriran'antsy amin'ny asan-jiolahy ny mponina aty amin'ny Kaominina Anjiajia, Distrika Ambato Boeny, indrindra ireo mpivarotra.

Ny herinandro lasa teo izao dia Fokontany telo no nasesin'ny dahalo notafihina. Notapahin'ny jiolahy tamin'izany ny tanan'ny vehivavy iray mitondra vohoka, nofirain'ireo jiolahy tamin'ny antsibe ihany koa ny tongotry ny vadiny.

Nisy andia-miaramila mpampandry tany nandalo taty, saingy niserana ihany izany ka vao dila izy ireo dia miverina masiaka ny dahalo. Mitaintaina noho izany ny mponina, indrindra ny mpivarotra ka manao antso amin'ny mpitondra hijery vahaolana maharitra, hahafahan'ny olona mamokatra.

 

Publié dans Sociale

Fiaramanidina, helikoptera, fiara tsy laitram-bala, fiara tsy mataho-dalana ; nahazo fampitaovana maro hanamorana ny asany ny Foloalindahy amin'izao fankalazana ny fetim-pirenena sady fetin'ny Foloalindahy Malagasy izao.

Nahazo fiara 4x4 miisa 26 ihany koa ny Polisim-pirenena. Miandrandra fampitaovana ireo miasa amin'ireo Faritra mena amin'ny asan-jiolahy.

Manantena ihany koa ny Vahoaka fa hipaka amin'ny fiainam-bahoaka hampandry fahalemana ny tany ny fahazoan'ny mpitandro ny filaminana fitaovana maro, nanaovana laharam-pahamehana tamin'ny fandaniam-bola ireo.

 

Publié dans Vaovao

Tonga nitsena ireo fitaovana omena ny Foloalindahy ny Filoha Andry Rajoelina.

Tazana teny ireo fiara-manidina, ny angidim-by 4 ary ireo fiara tsy mataho-dalana vaventy natokana ho an'ny Tafika sy ireo mpitandro ny filaminana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Ho fanampiana amin'ny tontolon'ny fahasalamana, dia notoloran'ny fanjakana, tamin'ny alalan'ny Filoha Andry Rajoelina fitaovana ny ministeran'ny fahasalamana, toy ny fiara, bisikileta, ary kojakoja maro samihafa momba ny fitsaboana.

Ny Fanjakana nanome fiara hatao clinique mobile, na fitsaboana mitety vohitra, ny mpiara-miombon'antoka GAVI (Alliance Vaccin) sy ny UNICEF, nandray an-tanana ireo fitaovana hafa ihany koa, toa ny vata fampangatsiahana mandeha amin'ny herin'ny masoandro (Frigo solaire).

Notontosaina tetsy amin'ny sekoly mpampihofana mpitsabo, INSPC tetsy Befelatanana ny hetsika androany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Anarana telo, no naroson'ny Komity mpifantina any amin'ny filoham-pirenena, tamin'ireo folo nivoaka tamin'ny sivana voalohany, hanendrena izay ho Tale jeneraly vaovaon'ny Birao mahaleotena miady amin'ny kolikoly na Bianco.

Vehivavy Mpitsara ny iray, jeneraly eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena kosa ny roa amin'ireo kandida telo voafantina.

Misy loharanom-baovao hafa anefa milaza fa mety tsy ho avy amin'ireo telo ireo no hovoatendry eo.

Dimy taona tsy azo havaozina ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneralin'ny Bianco. Tapitra androany ny fe-potoana iasan'ny Tale jeneraly Andriamifidy Jean Louis, Mpitsara.

Didim-panjakana no anendrena ny solony.

 

Publié dans Politique

3000 ireo handray anjara amin’ny matso lehibe hankalazana ny fetim-pirenena sady fetin’ny foloalindahy. Androany ny famerenana farany natao tetsy Mahamasina. 

Hiova endrika ny famindra mandritra ny matso, satria dia hitovy avokoa ny famindrana sy ny hafainganam-pandehan’ny mpandray anjara rehetra amin’izany.

Hisy ihany koa ny fandraisana anjaran’ny miaramila vahiny.

 

Publié dans Tselatra

Miaramila avy amina firenena enina no nasaina handray anjara amin’ny matso etsy Mahamasina amin’ny 26 jona, hankalazana ny fetim-pirenena, sady fetin’ny foloalindahy rahateo, dia Kaomoro, Rwanda, Maorisy, Tanzania, Frantsa ary Seychelles.

Firenena telo no efa namaly fa ho avy, dia Kaomoro, Maorisy ary Frantsa (FAZOI).
Ho tonga anio tolakandro ny Tafika Maorisianina, raha efa eto hatry ny omaly alina ny Tafika kaomaoriana.

 

Publié dans Tselatra

Zandary maherin’ny 2000 no hiandraikitra fiarovana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena, ary nohatevenina manokana ny fiarovana an’i Mahamasina sy Analakely, nanomboka androany.

Hisy fisavana atao, ka voakasik’izany na mpandeha tongotra, na mpandeha fiarakodia na mpandeha moto.

 

Publié dans Tselatra

Mihantona ireo asa fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra ny 25-26 jona 2019. Mba hahafahana mampikorisa ny fifamoivoizana mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena no voalaza fa nandraisana ity fepetra manokana ity.

 

Publié dans Tselatra

Namoaka fofona sy setroka ilay fitaovana teo ampanaovana andrana, taorian’ny fanamboarana natao tany Antananarivo.

Tombanan'ireo teknisianina any an-toerana ho vokatry ny fihontsankontsanan’ilay « émetteur » diso tafahoatra teny an-dalana ampitondrana azy no niterana fahasimbana ka nampipoaka an’ity fitaovana ity.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2