Filtrer les éléments par date : vendredi, 21 juin 2019

Nisy androany ny hetsika notanterahina teo amin’ny Esplanade Oniversiten’Antananarivo, nentina nankalazana ny Andro iraisam-pirenena momba ny Yoga teto Madagasikara. Nandray anjara tamin’izany ny Ambasadaoron’i Inde eto Madagasikara.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture

Androany maraina no nahitan'ny olona azy teny amin'ny fokontany Antanety-Mandaniresaka Antsirabe.

Raha ny fanazavan'ny mpitsabo teo anivon'ny BMH dia ahiana ho zaza niniana ho nariana ity zaza ity satria efa tena hary tanteraka saingy mety noho ny fasahiranana no nanarian'ny reniny azy.

Nananosarotra teo ampiterahana ihany ity zaza ity satria nahitana fahamanganana ny tanany havia, izay nambaran'ireo nahita izany fa mety nosintonina avy tany ambohoka ilay zazakely.

Nambaran'ny mpitsabo fa mety nariana ity zaza ity ary noheveriny fa mety rehefa hitan'ny olona dia hisy haka izany saingy tsy izay no nitranga ka matin'ny hatsiaka ilay zazakely.

 

 

Publié dans Vaovao

Nametrahana « caméra de surveillance » eny amin’ireo sakelidalana heverina fa ho lalovan’i Paul Kagamé, filoham-pirenen’i Rwanda. Vahiny manankaja mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ity farany.

Maniry ny mponina amin’ireo fokontany anjakan’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra mba hametrahana « caméra de surveillance » toy ireny ihany koa, mba ampilamina ny faritra.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Nanomboka io tolakandro io vao nihatra ny vidin-tsolika vaovao teto an-drenivohitry ny faritra SAVA.

4100 Ariary ny lasantsy, 3400 Ariary ny gazoala, ary 2150 Ariary ny solitany fandrehitra.

 

Publié dans Tselatra

Vita ny asa fanarenana ka namerenana amin’ny laoniny ny Lapan’Andafiavaratra vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Unesco sy ny masoivohon’i Japon. Nisy koa ny fanofanana ireo mpikajy vakoka.

Misokatra ho azon’ny besinimaro tsidihina ankehitriny ny Lapan’Andafiavaratra. Tao no nametrahana ireo fitaovana sy fanaka sisa tsy may tao Anatirova tamin’ny 6 novambra 1995.

 

Publié dans Art et Culture

Nilaza ny filohan’ny CAF na Kaonfederasiona Afrikanina amin’ny baolina kitra, Ahmad Ahmad, fa manomboka amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana amin’ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika amin’ny baolina kitra vao hampiasaina ilay fitaovana Assitance Vidéo (VAR) hanampy amin’ny fitantanana ny lalao eny ambony kianja.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sport

Le mardi 18 juin, 2ème et dernier jour des examens, un jeune de 13 ans s'est évanoui juste avant la sonnerie d'appel du matin au lycée français d'Ambatobe Antananarivo.

Les parents des autres enfants se sont accourus pour lui prodiguer les premiers secours, et certains se sont rués à chercher l'infirmerie du lycée français, mais ils ont mis du temps, faute de connaissance du lieu, car c'est juste un centre d’examen de leur enfants.

Après quelques temps, l'infirmière est prévenue, mais elle a mis du temps pour rejoindre l'enfant, encore dans l'inconscience, car elle a attendu le flux des centaines d'enfants descendre les escaliers pour rejoindre leurs salles d'examen.

Publié dans Sociale

Ny andro faharoa sady farany amin'ny fanadinana, ny talata 18 jona lasa teo, no niseho ny loza teny Ambatobe-Antananarivo. Nitolefika tampoka teo an-tokontany ilay zazalahy, 13 taona eo, talohan'ny fidirana maraina. Nifamonjen’izay nahita teo.

Nisy ireo ray aman-dreny nanatitra mpianatra hanala fanadinana, fa tsy mahafantatra ny toerana satria tsy sekoly fianaran-janany fa ivon-toeram-panadinana fotsiny ihany, ka niodikodina nitady ny infirmerie.

Nantsoina ny tao amin'ny infirmerie, izay anisan'ny raitra, mbola niandry ireo mpianatra hidina ny tohatra amonjy ny efitra fanadinana anefa izy, ka tsy avy dia tafakatra amonjy ilay zaza efa safotra.

Ny ray aman-dreny teo efa niezaka namelona an'ilay zaza ihany.

Publié dans Vaovao

Mivonona ny amin’ny fiarovana ankapobeany sy ny fitandroana ny filaminana mandritra ny fankalazana ny faha-59 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, araka ny fanambarana nataony ny alakamisy 20 jona.

Ankoatra ny asa sy ny iraka ankapobeny fanaon’ny Polisy isan’andro ary ny fandraisana anjara amin’ny matso lehibe ny andron’ny 26 jona dia Polisy miisa 1025 no voalaza fa hahetsika isan’andro eto Antananarivo manomboka ny zoma 21 jona mba hahafahan’ny vahoaka mifety am-pilaminana.

Hisy ny fepetra manokana ho raisina ho fandrindrana ny fifamoivoizana sy ny filaminana manodidina ny farihinan’Anosy sy manerana ireo toerana avo eto an-drenivohitra ny harivan’ny 25 jona izay hisian’ny afomanga.

 

 

Publié dans Vaovao

Tra-tehaky ny Polisy tao Tanambao ireto rongony 50 kg ireto. Voasambotra ny tompony. Tazomina am-ponja vonjimaika ity farany rehefa natolotra ny Fampanoavana Tribonaly teto Morondava, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Polisy.

Nodorana ampahibemaso teto Betela, Morondava kosa ireo rongony.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 3