Filtrer les éléments par date : lundi, 17 juin 2019

Hitady ravinahitra no niala an-tanindrazana, fahafatesana anefa no nitranga. Nindaosin’ny fahafatesana ny alin’ny alahady 16 jona 2019, tao amin’ny hopitaly Victoria, ao Candos atsy amin’ny nosy Maorisy i Rakotoniaina Lanjanirina. Teratany malagasy ity farany, 41 taona. Mpiasa tao amin’ny Compagnie Mauricienne de Textile (CMT) ao Phoenix izy.

Raha ny tatitr’ireo gazety samihafa ao Maorisy dia nitaraina ho narary mafy i Rakotoniaina Lanjanirina omaly alahady 16 jona tokony ho tamin’ny 8 ora alina. Nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly Victoria izy, saingy tsy tana ny ainy adin’ny telo taorian’ny nahatongavany tao na dia nanao izay ho afany aza ny mpitsabo.

Nataon’ny dokotera androany maraina ny “autopsie” namantarana ny antony nitarika ny fahafatesany.

 

Publié dans Tselatra

Le Président Andry Rajoelina a rencontré les opérateurs pétroliers au sujet de la structure de prix du carburant à la pompe. Le dialogue a débuté dans l’après-midi de ce lundi 17 juin 2019 au Palais d’État Ambohitsirohotra. Les représentants de VIVO Energy Madagascar, Total, Jovena, GRT, GPM, LPSA ont répondu présents lors de ce premier jour de dialogue. Ont également assisté à la rencontre : le Premier Ministre Ntsay Christian, le Ministre de l’Énergie, de l’Eau et des Hydrocarbures ainsi que le Ministre de l’Aménagement de l’Habitat et des Travaux Publics.

Les résultats des 3 études de la structure de prix du carburant à la pompe ont été présentés lors de ce dialogue. L'État malagasy a exposé ses propositions au sujet de la baisse de prix en visant l’obtention d’un juste coût établi sur une base factuelle, solide et complète.

Publié dans Economie

Tontosa androany Alatsinainy 17 jona 2019 ny famindram-pitantanana teo amin'ny Komandin'ny Vondrompileovan'i Vakinankaratra, ka nandraisan'i Kolonely Randrianarimasy Radosoa ny andraikitra, nandimby ny Kolonely Rasambomanana Yvon Patrick, izay nitantana izany hatramin'ny taona 2017.

Niatrika izany ny Jeneraly Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena ary nitondra hafatra nafonja fa “tsy fieren'ny jiolahy ny Zandary” raha mbola izy no eo.

Mahasarotiny azy ny tsy fanarahan-dalana sy ny kolikoly satria izany no nanagadrana Zandary efa ho 38 tamin’ity taona ity fotsiny.

Nanamafy izany ny Kolonely Randrianarimasy Radosoa fa “izay tsy hanaraka fitsipika dia afaka mifindra toerana avy hatrany”.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Narotsaka ao amin’ny kaonty tahiry "Spécial CAN" ho fanohanana ny ekipam-pirenena Malagasy amin’ny baolina kitra amin’ny fiatrehany ny fiadiana ny Amboaran’i Afrika taona 2019, atao any Egypta ny 21 jona ka hatramin’ny 19 jolay 2019.

Nisy, androany, ny fifanaovan-tsonia ny fifanarahana mikasika izany teo amin’ny « Comité de Normalisation pour la FMF » sy ny orinasa « Accords Knits ».

 

Publié dans Sport

Namory ireo mpandraharaha amin’ny solika (VIVO Energy Madagascar, Total, Jovena, GRT, GPM, LPSA) tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, androany 17 jona 2019 tolakandro, ny filoha Andry Rajoelina. Niatrika ny fivoriana ny praiminisitra Ntsay Christian, ny minisitry ny angovo, ny rano ary ny akoranafo, ny minisitry ny fanajariana ny tany, ny trano fonenana ary ny Asa vaventy.

Tsy mbola nisy fanapahan-kevitra nivoitra, na nisy aza ny voalaza fa teboka efa itovian-kevitra. Hitohy hatramin'ny alarobia 19 jona 2019 ny fivoriana.

Raha tsy mbola nihetsika amin’ny vidiny nihatra hatramin’ny 4 desambra 2018 ny vidin-tsolika eny amin’ireo toby mpaninjara dia nisy fiakarany 0,3% ka hatramin’ny 0,4% androany ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

 

Publié dans Tselatra

Mitaraina ny mpiasan’ny Kaominina ambonivohitra Antsirabe, renivohitr’i Vakinankaratra fa toa very anjavony ny karaman'izy ireo efa folo volana mahery izao.

 

 

Publié dans Tselatra

Nivory tao amin'ny lapan'ny tanàna Analakely androany ireo mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ho fiomanana amin'ny fahatongavan'i Papa François eto Madagasikara ny 6-8 septambra 2019.

 

Publié dans Tselatra

Nitambotsotra tao amin’ny tribonaly, nandritra ny fitsarana azy androany, ny filoha egypsiana teo aloha Mohamed Morsi, araka ny vaovao navoakan’ny televizionim-panjakana ao an-toerana.

67 taona i Mohamed Morsi, ary mpitarika ny hetsiky ny “Frères musulmans » no nampisongadina azy, izay nahavoafidy azy ho filohan’i Egypta tamin’ny taona 2012. Herintaona taorian’ny niakarany teo amin’ny fitondrana anefa izy dia naongan’ny Tafika ary voasambotra.

Fito taona an-tranomaizina ny saziny, noho ny hosoka tamin’ny dosie nirotsahany hofidiana tamin’ny 2012 io.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra

Mankasitraka ny fitondrana nanao ezaka ahitana ny CAN iray manontolo amin'ny fahitalavitra,

Mbola mangataka amin'ny anaran'ny maro, raha mbola azo atao ny mifampiraharaha amin'ireo tompon'antoka amin'izany, mba ho azo alefa amin'ny canal+, blueline, startimes, TVM sur facebook, satria ny olona tsy mahita TVM fotsiny.

Ambiance goavana izy io, betsaka ny tsy manana télé, na manana fa hafa ihany ny miaraka, raha mba azo atao ny mandefa azy ankalaman-jana, eny amin'ny parvis Hotel de ville ireny, tranom-pokonolona, ny bistrot sy restaurant, na eo amin'ny kianjaben'ny Mahamasina.

Publié dans Sport
lundi, 17 juin 2019 14:14

SMM: Raharaha faty 3 tany Antanifotsy

Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny filohan'ny SMM, Clément jaona, tohin'ilay raharaha nahafaty ireo telolahy hita faty tao amin’ny reniranon’i Onive, tao Ampitatafika, Distrika Antanifotsy, Faritra Vakinankaratra ny marainan’ny zoma 31 mey 2019.

Misy andiana miaramila mikasa hanao fitokonana raha tsy mivoaka ireo voatazona 27 lahy voarohirohy tamin'iny famonoana iny.

Tsy manaiky izany anefa ny eo anivon'ny sendikan'ny mpitsara fa rehefa meloka dia tsy maintsy mihatra ny sazy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2