Filtrer les éléments par date : samedi, 04 mai 2019

Voatonona hatrany tamin’ireo fanafihan-jiolahy sy fakana an-keriny (kidnapping) nitranga tany amin’ny Distrikan’i Tsaratanana, Ambatoboeny ary Maevatanana ity « Commissaire de police » ity.

Ny alakamisy 2 mey 2019 teo izy no nampidirina am-poja vonjimaika ao Marofoto – Mahajanga taorian’ny famotorana azy.

Isany anenjehana azy ny firaisany amina fikambanan-jiolahy, fanaovana fandrahonana ho faty, fakana an-keriny an’ilay mpitsabo mpanampy tany Tsaratanana.

 

Publié dans Tselatra
samedi, 04 mai 2019 10:41

4 mai

Journée internationale des pompiers.

 

Publié dans Fil info

Ny rano dia mandrafitra ny 80% n'ny vatan'ny olombelona, ka isan'ny singa tsy azo atao ambanin-javatra izy izany, na ny fahadiovany, na ny hamaroany.

Ny rano dia azo entina atao famantarana ny fahantrana na ny fandrosoan'ny firenena iray.

Matetika henotsika ny hoe mila misotra rano 1.5l isan'andro ny olon-dehibe iray.

Ny filan'ny olona aty amin'ny tany mahantra dia eo amin'ny 100l isan'andro, isan'olona. Tafiditra ao ny rano fisotro, ny fandrahoana sakafo, ny fanasana lamba, ny fisasana...

Any amin'ny tany mandroso kosa dia tafakatra hatrany amin'ny 1 200l ny rano lanin'olona iray isan'andro, satria ny azy misy WC, izay indray mandeha misintona dia 12l no lany, misy fiara maromaro sasana, misy zaridaina tondrahana, misy piscine, misy baignoire izay indray mandro dia 200l...

Misy izany ny rano tsy maintsy madio azo sotroina, eau potable, misy kosa ny ilana rano madio fotsiny, tsy voatery ho sotroina, satria anasana fiara sy anondrahana zaridaina.

Publié dans Editorial
Page 2 sur 2