Filtrer les éléments par date : lundi, 27 mai 2019

Voasambotry ny ladoany malagasy tao an-tranony eny Andoharanofotsy - Antananarivo Atsimondrano ny marainan'ny sabotsy 25 mey teo i Lusinga Adam Martin, na Papa Freddy, atidohan'ny trafika zavamahadomelina mahery vaika toy ny "héroïne".

Teratany afrikana tatsimo i Papa Freddy, manambady vehivavy gasy manan-janaka roa izy ireo. Izy no tao ambadik'ilay "héroïne" milanja 41kg tratra tao Toamasina ny 22 aprily 2019. Iray volana taty aoriana vao tratra izy rehefa nifampitadiavana.

Avy any Tanzania no fanafaran'i Papa Freddy "héroïne" ary aparitany aty amin'ireo nosy aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indianina dia i Madagasikara (Nosy-Be, Mahajanga, Toamasina), La Réunion ary Maorisy.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Nidina nijery sy nanamarina ary nanao fanadihadiana savaranonando mikasika ireo feo sy vaovao azony tao Valpinson sy Ankirihiry ary Mangarano ny vondron'ny kandida miisa 11 ny tolakandro teo.

Maro loatra hoy izy ireo ny olona tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana nefa manana kara-pifidianana ara-dalana teto Toamasina, ka ny tao Mangarano no tena maro an'isa tamin'izany. Nahitana olona nifidy nefa tsy mponina eto Toamasina voasoratra anarana ara-dalana kosa ny tao Valpinson.

Milaza ny hitory ireto kandida ireto aorian'ny fifidianana araka ny nambaran'izy ireo.

Maro ihany koa ireo mpifidy efa nanamarina ny anarany tao anaty lisitra tamin'ny famaranana vonjy maika ny lisi-pifidianana, saingy taorian'ny famaranana ofisialy ny lisitra ny 15 mey indray dia nanjavona ny anaran'izy ireo.

 

Publié dans Tselatra

Teny Morafeno no nisy ity tranga ity. Ny sabotsy 25 mey teo no nahitana ny faty.

Vazaha lahy, 67 taona, teratany Belza no nitsitra nanaraka ny sakan'ny fandriana. Niboridana ny nahitana azy ka silipo sisa teny aminy.

Raha nozahan'ny mpitsabo ny faty dia resaka fanafody mampatanjaka filahina nohaniny no heverina ho nahafaty azy. Mbola nahitana fanafody niparitaka teo akaikin'ny faty, ary nisy ranon-javatra very teo ambony fandriana nisy azy tamin'ny nahitana azy tao amin'ny hotely iray teny Morafeno Toamasina.

(Jereo Sary Tohiny)

 

 

Publié dans Vaovao

Teo ampanadiova basy i Rafanomezantsoa Joël no niseho ny loza ny sabotsy 25 sabotsy teo. Mbola nisy bala iray tavela tao anatin'ilay basy ka io nipoaka teo ampanadiovana ilay basy.

Niantefa teny amin'ny ranjon'ny tompony, izay kandida solombavambahoaka an'ny antoko Tiako i Madagasikara aty Antsalova, Faritra Melaky, ilay bala ka nandratra azy. Notsaboina teto an-toerana izy, ary tonga nandatsa-bato androany.

 

Publié dans Tselatra

Tetibola ho an'ity taona 2019 ity io araka ny nambaran'i Vonjy Andriamanga, minisitry ny angovo ny rano ary ny akoranafo.

Nijery ny toerana hametrahana ny toby fanadiovan-drano eto an-drenivohitry Vakinankaratra ny Minisitra ary nifandinika tamin'ireo teknisiana ny amin'ny asa tokony ho atao.

Nijery ihany koa ny siniben-drano teny Ivohitra izy ka nanambara fa tsy maintsy alavirina ny sinibe ny toeram-panariana fako.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Sociale

Tany amin'ny Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy dia tsikaritra fa latsaky ny isan'ny mpifidy ny bileta tokana tonga tamin'ny Birao fandatsaham-bato sasany.

Tao amin'ny Kaominina Imongy, Fokontany Tsianoha lll izao dia 291 ny mpifidy voasoratra nefa 200 fotsiny ny vatom-pifidianana tonga.

Tao amin'ny Kaominina Faux-Cap, Fokontany Antsakoamalange indray dia 237 ireo mpifidy voasoratra anarana fa 150 ihany ny vatom-pifidianana tonga.

Ankoatr'izay dia betsaka ireo olona izay manana kara-pifidianana satria efa nifidy tamin'ny fifidianana Filoham-pirenena tamin'ny taon-dasa iny, nefa tsy ao anaty lisitra indray ny anarany, ka niverim-potsiny.

 

Publié dans Tselatra

Tonga nanefa ny adidiny amin'ny mahaolom-pirenena azy i Beboarimisa Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana.

Nandatsa-bato tao Ambato, Vohimasina Sud ny tenany tamin'ny 11ora atoandro teo. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique

Maro ny fanamarihana heno tao amin'ny radiom-pirenena (RNM) ny tapakandro maraina iny, ny fisan'ireo olona nahazo kara-pifidianana nefa tsy hita ao anaty lisi-pifidianana ny anarany.

Misy amin'ireo no tanora vao feno taona ary vao sambany no hifidy, misy indray efa nifidy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany sy faharoa tamin'ny taon-dasa nefa nanjavona tao anaty lisitra indray ny anarany amin'izao fifidianana depiote izao.

Mety misoratra amin'ny biraom-pifidianana hafa ny anarana hoy ny fanazavan'ny solontenan'ny CENI amin'ireo toerana samihafa isehoan'ny olana. Rehefa tena tsy ao anaty lisi-pifidianana anefa dia tsy afaka mandatsa-bato na dia manana kara-pifidianana aza.

 

Publié dans Vaovao

Nanambara ny avy ao amin'ny CED Rtoa Voahangy tamin'ny folo ora maraina teo, fa na misy ny fahatarana kely aza tamin'ny fisokafan'ny birao fandatsaham-bato teto Sambava dia nizotra ampilaminana ihany.

Nanafatra kosa izy ho an'ny mpifidy: "mba tsy hanaiky ny fanodinkodinana ka hanova ny safidiny fa mahavoasazy na ho an'izay manaiky na ho an'ireo kandida raha tratra izany fa masina ny safidy''.

Sambava dia manana mpifidy miisa 124 595 voasoratra anarana manerana ny Distrika. Nisy fitomboana teo amin'ny 6 323 io raha nampitahaina tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo iny.

Publié dans Politique

Malaindaina manaraka izany koa ny olona mandeha mifidy.

 

Publié dans Tselatra
Page 1 sur 2