Filtrer les éléments par date : samedi, 25 mai 2019
dimanche, 26 mai 2019 00:06

Tapitra ny fampielezan-kevitra

Misaotra an'ireo Kandida rehetra nandefa vaovao tsy tapaka, niarahan'ny rehetra nahita ireo programantsika tsirairay.

Misaotra antsika namana tsy tapaka manaraka anay eto ihany koa.

Mitohy hatrany ny fanomezam-baovao sy fisarihana ny fomba fijery ho antsika rehetra, misaotra ireo manome vaovao hatrany.

Mankasitraka ireo mpanao gazety Gasypatriote manerana ny Nosy sy ireo mpanome vaovao manetry tena tsy miseho.

Ny Ekipa Gasypatriote
Patrick

Publié dans Editorial

Maresaka ny faradoboka niaraka tamin'i Zanaky Manakara, BEBOARIMISA Ralava, kandida ho solombavambahoaka avy amin'ny antoko Banjino ny Repoblika - BR, mitondra ny laharana faha 2 amin'ny bileta tokana.

Faly ny rehetra ary nanome toky ny hanandratra ity zanaky Manakara BEBOARIMISA Ralava hitondra ny tenin'izy ireo.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao

Vahoaka maro no nampiseho ny fahatokisana an'i Anthelme Ramparany, kandida laharana faha-7 amin’ny bileta tokana ato amin’ny Distrikan’i Mananjary.

Carnaval, namakivaky ny tanàna no namaranany ny fampielezan-kevitra tato anatin'ny Distrikan'ny Mananjary.
Samy nanana ny fanehoany ny fitokisana an'ity kandida zanak'ambanivolo ity avokoa ireo mpanohana azy. 

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Vaovao
samedi, 25 mai 2019 23:25

Irmah Naharimamy: Faradoboka carnaval

Nasehon'i Toamasina ny fahatokisana an'i Irmah Naharimamy, Kandida ho solombavambahoaka, natolotry ny antoko politika Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina, laharana faha 8, eto Toamasina I.

Izay toerana rehetra notsidihina nandritra ny fampielezan-kevitra dia hipoka avokoa, ary miandrandra fandrosoana miaraka amin'i Irmah Naharimamy avokoa. Tsy ho nofinofy intsony ireo vina hiarahana amin'ny Filoha Andry Rajoelina, satria dia ho solombavambahoaka hanampy azy amin'ny fanantanterahina ireo vina sy velirano efa natomboka.

Hita sahady ireo fotodrafitrasa efa natomboka, misy aza no eo ampamitana, toy ny lalambe mikodana, ny EPP manara-penitra, ny kianja lehibe, sy ireo maro mbola atao.

(Jereo Sary Tohiny)

Publié dans Vaovao

Na dia teo aza ny hetraketraka sy fiangarana nataon'i sefo fokontany voatendry omaly, roa andro alohan'ny fifidianana, sy ny tsindry tetsy sy teroa, ka nisoparana ny lamina faradoboka saika natao tetsy Ambohipo, izay efa nahazoana fanomezan-dalana avy tamin'ny Distrika, dia nafindra tety Ampamatanana androany ihany ny faradoboka nataon'i Randrianarisoa Stanislas na Rastany, kandida narotsaky ny antoko Tiako I Madagasikara - K25, mitondra ny laharana faha 9 amin'ny bileta tokana.

Feno hipoka ny kianjan'Ampamatanana Boriborintany faha II, nitondra ny fanohanana feno an'i Rastany.

Publié dans Tselatra

Manaja tanteraka ny fomba aty Ampanihy i LIAHOSOA Malement na Malemà, kandida ho solombavambahoaka eto Ampanihy andrefana, Distrika Ampanihy andrefana, Faritany Toliara.

Rehefa misy raha maventy atao sy hatrehina dia maka ny tsodranon-drazana sy ny Ray amandreny.
Efa tapitra notetezina nandritra ny fampielezan-kevitra ireo kaominy ato anatin'ny Distrikan'Ampanihy andrefana. Ary talohan'izany dia efa naka ny tso-dranon'Ampanjaka.

Publié dans Politique

Fahatsentseman'ny lalandra no nidirany hopitaly ny 20 mey 2019. Teo ampanomanana ny handefasana azy hotsaboina any ivelany no izao nindaosin'ny fahafatesana izao i Mitchou, tao amin'ny HJRA Ampefiloha, na nanao ny ala nenina rehetra aza ny mpitsabo.

Andriambolatiana Miarintsoa ny anarany feno, Mitchou no fiantson'ny namany sy ny fianakaviana azy. Mbola mpitovo.

Mpikambana mpamorona ny tarika RyKala Vazo i Mitchou. Mpamorona sady mpihira, mpively aponga, mpitendry gitara beso tao amin'ny tarika izy.

Eo ampanomanana seho sehatra maro ny tarika no izao tojo fahabangana izao noho ny fahafatesan'i Mitchou.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Art et Culture
samedi, 25 mai 2019 20:14

Décision HCC - Sénat

Décision n°10-HCC/D du 25 mai 2019 concernant l’ordonnance n°2019-006 portant loi organique modifiant certaines dispositions de la loi organique n°2015-007 du 3 mars 2015 fixant les règles relatives au fonctionnement du Sénat ainsi qu’aux modalités d’élection et de désignation des Sénateurs de Madagascar.
La Haute Cour Constitutionnelle,

Publié dans Fil info

Diabe no namaranan'i Kandida laharana I ny fampielezan-kevitra ho solombavambahoaka ato amin'ny Boriborintany faha II anio. Niainga avy any Antsahamamy, namakivaky an'i Tsihadana sy Ampasanimalo, nitohy teny Ambanidia sy Manakambahiny ary niafara teo Mahamasina.

"Mifarana anio amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra, efa nijery anareo aho, efa hita avokoa ny olana rehetra eny anivon'ny fiarahamonina tsirairay avy, maro ireo zavatra efa natao, ary vita soamantsara, maro ny mbola andalam-panamboarana, hiditra amin'ny tena asa goavana isika, afaka fotoana fohy.

Publié dans Politique

Tsy nahasakana ireo mponina marobe nanodidina an'Analalava no tonga nanotrona an'i Soafilira Princia, Kandida ho solombavambahoaka eto Analalava, nilatsaka amin'ny anaran'i Malagasy Tia Tanindrazana (MATITA) mitondra ny laharana faha 06 amin'ny bileta tokana.

Totorebika ny nandraisana an'ity zanak'Analalava ity nandritra ny faradoboka izay natao androany sabotsy 25 mey.

Nampanantena i Soafilira Princia ny fampandrosoana ny Distrikan'Analalava, ary hiady ho an'ny tombotsoan'ny maro izy.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Publié dans Politique
Page 1 sur 4